Edito

Alamino haingana e !


  • Alarobia 01 Aogositra 2012

Mihotakotaka indray ny eny amin’ny oniversite. Nirefotra ny lakrimozena ary dia nidiran’ny mpitandro ny filaminana ny faritry ny anjerimanontolo teny Ankatso

 Ahiana hihamafy ny hetsika amin’ny zoma ho avy izao satria hanambatra ny heriny ny SECES sy ny mpianatra ary ny mpandraharaha eny amin’ny oniversite. Milaza ny tsy hihemotra manoloana ny ramatahora amin’ny fanapahana karama sy ny fandroahana ny PARAMED ary mety hiaraka hametra-pialana faobe. Ny ministeran’ny fahasalamana moa dia efa milaza fa misy ny PARAMED vonona ny hiasa azo asolo tsara ireo migrevy. Mitohy ny tolona ho an’ny SEMPAMA, nanambara ny filohany fa tsy handray anjara amin’ny fanaraha-maso sy fitsarana ny fanadinana CEPE izy ireo, ary hitety faritra hanentana ny namany mba tsy hanaiky lembenana fa hijoro hatramin’ny farany amin’ny fitakiana.

Tena tsy mety voalamina ireo fitakiana sendikaly efa nanomboka tamin’ny 2010, ary hita fa tena misy akony amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny izy ireny. Tsy fotoana hiadian-kevitra amin’izay marina sy diso intsony angamba izao fa fotoana hampiharana amin’izay ny vahaolana, nivoaka avy amin’ireo fihaonana maro be natao. Tsy misy marimaritra iraisana mahafa-po ny andaniny sy ny ankilany izany, fa dia ny tombontsoa iombonana no jerena ilaina mibaiko. Olana politika no nahatonga ny krizy, ka tsy tokony hahagaga raha mety tafiditry ny resaka politika ireny fitakiana ataon’ny sendika ireny. Raha tena mpitondra mahafehy ny asany dia mahita paikady hamahana ny olana fa tsy mandany andro manameloka ny hafa, na koa manao ramatahora isaky ny mihetsika. Vola no angatahan’ireo sendika ireo. Nahita vola be nanonganana an-dRavalomanana sy hanorenana kianja manara-penitra manerana an’i Madagasikara i Andry Rajoelina, ka nahoana no tsy hahita vola hanampiana ny mpampianatra sy ny dokotera ary ny PARAMED ? Izany no resaky ny olona amin’izao fotoana, olona izay efa tena leon’ny krizy. Mila vahana haingana ireo olana ireo, satria mahakasika ny fiainan’ny olona isan’andro ny fitsaboana sy ny fampianarana. Ho hita eo indray ny hafitsoky ny mpitondra tetezamita fa mba tokony hatao matotra tahaka ny fanaovana fety aman-danonana ihany koa ny famahana ara-potoana ireny olana sy fitakiana etsy sy eroa ireny e ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT