Nahagaga tato ho ato ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antenimierandoholona Honoré Rakotomanana hoe :
“efa maro ny zavatra noresahako, lalàna nambarako fa tsy mety ka tokony hahitsy. Zavatra nambarako hoe tsy tokony ho nirosoana kanefa natao ihany ... saingy tsy misy mihaino moa aho”. Manahiran-tsaina ihany ny firesak’olon-dehibe, filohana andrim-panjakana eto amin’ny firenena tahaka izany. Maha te hiteny hoe koa rehefa tsy misy mihaino ianao, koa inona ary no mbola hijanonanao eo amin’io toerana io ihany e ? Manjavozavo be ihany ny hevitr’ity filohan’ny antenimierandoholona ity momba ny raharaha Lylison sy ny volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana na “projet de loi portant code de la commmunication mediatisée” izay efa neken’ny andrim-panjakana tantanany. Izy rahateo manampahaizana ary mpampianatra lalàna, efa filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Malagasy heverina fa tena manampahaizana. Ka nahoana no tsy mahitsy firesaka fa miholakolaka e ? Andrasana ihany koa izay hevitry ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza eny. Tsy sanatria don-tandroka ny an’ny mpanao gazety sy ireo rehetra miasa eo amin’ny sehatry ny serasera fa misy antony ao matoa betsaka ny fimenomenonana ka antenaina fa samy ho tonga saina ary hahafantatra ny andraikiny ny tsirairay fa tsy sanatria hobaikon’ny fitiavan-tena sy ny fiarovan-tseza na ny fitiavam-bola fotsiny. Tsy misy firenena mandroso raha tsy tomombana ny serasera, ka fahendrena ny fahaizana mifandamina !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.