Tsio-drivotra hafa mihitsy no iainan’ny firenena Malagasy amin’izao fotoana izao. Iraisana amin’ny firenen-drehetra,
ary fotoana tokoa tena azo hararaotina hahafahana mametraka fomba fiaina sy fomba fiady hoenti-manandratra ity firenena ity. Isan’ny foto-kevitra voizin’ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina io, ary hanairany ihany koa ny hambopon’ny firenena Afrikanina. Tsara ny hevitra, ary mety hahazoana sitraka sy fanohanana. Ny fanontaniana mipetraka kosa dia ny hoe: araka ny tokony ho izy ve ilay fomba hoenti-manatanteraka ilay tanjona? Voambolana nalaza nahafantarana ny Filoha ankehitriny ilay hoe: “manara-penitra”, ka asa raha izay no miseho ankehitriny na ahoana? Hafahafaha ihany mantsy ity fihetsika toa mihantsy ady hafahafa ity. Toa lasa midingin-drambo sy tsy te hahalala izay hevitry ny hafa sy ny adihevitra mandeha fa ny azy ihany no marina. Tsy hoe tsy fitiavana, tsy hoe fialonana, ary tsy hoe famadihan-tanindrazana ny endrika kihana maro mandeha, fa tokony hanana saina misokatra ihany koa hoe: sao dia mitombina sy azo henoina tokoa ny hevitra marolafy? Matoa tsy tafapaka any amin’ny vahoaka ny zavatra tian’ny mpitondra hampitaina dia misy antony ao. Marina fa mametraka ny toerantsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ohatra, isika amin’ilay tambavy kanefa ny eto an-toerana aza mbola adihevitra dridrangilo. Mila alamina izany, mila jerena hoe taiza ny lesoka mila hahitsy, fa tsy havela hifandrafy ny Malagasy. Avy eo isika mbola manangam-bovona amin’ireo mpiara-miombon’antoka, kanefa ny vola hanaovana fitiliana ny Malagasy voa aza anie ka avy any aminy e! Tsy hoe mila misolelaka na mandohalika fa kosa tokony hahay handanjalanja. Mila mahay mamindra sao hanaotao foana e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.