Edito

Alaivo ny lesona !


  • Zoma 04 Novambra 2016

Mila ovaina indray angamba ny fomba filazana azy sao mba izay no mety hampiditra kokoa ny tiana ambara any an-doha sy ny tsikalam-pieritreretan’ny tsirairay avy.


 Toa henointsika fotsiny mantsy rehefa atao hoe « mila maka lesona isika » na koa hoe « mba isika mahay maka lesona » fa dia aleo hobaikoana mihitsy hoe « alaivo ny lesona » mba tsy hisy ny nenina ao aoriana. Mbola hitombina foana ve hatramin’izao ny hoe “mora manadino ny gasy” ? Efa hita izao fa tsy mbola nisy vokatsoa nentin’ny herisetra izany na aiza na aiza teto ambonin’ny tany fa dia fahapotehana sy faharavana hatrany no naterak’izany kanefa ve dia mbola hotohizantsika eto ihany ? Lasa zary fomba mahazatra antsika mihitsy ity mandoro izay tsy mahafa-po rehetra ity, hany ka very manaraka azy ireny avokoa ny tena fototry ny olana tsy mampandeha ny raharaha rehetra eto ary dia lasa mitoetra sy vao mainka mihombo hatrany ilay olana. Nisy fotoana nodorana ny haino aman-jerim-pirenena dia very tao daholo ny tantara rehetra tokony ho tondrozotra hamahana ny olam-pirenena ankehitriny, nodorana ny orinasa maro samihafa dia isika samy isika ihany no very asa. Ahoana izao no hamantarana ny tena atidoha nikotrika rehefa nodorana iny olona tany Mananjary iny ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT