Alahelom-bahoaka !

Ny vahoaka natao hanaja mpitondra,


  • Alarobia 12 Martsa 2025

ary ny mpitondra natao hanaja vahoaka !

Mbola misy ihany koa aza tonon-kira sy tonom-bavaka manao hoe : « ireo mpitondra anay arovy lalandava koa ! ». Lalan-tsaina tokony hipetraka foana eo amin’ny Firenena ireny raha tiana hirindra ny fiarahamonina ao anatin’ny Firenena iray. Zary ny mifangarika amin’io anefa no mitranga, mihalalina ny hantsana manelanelana ny mpitondra sy ny entina, samy manana ny zavatra hitany sy iainany eto amin’ny Firenena, tena resaky ny moana sy ny marenina,… Ireo mpitondra ankehitriny mahita sy sahy miteny fa tsy mahantra ny vahoaka sy ny Firenena, tena sahy milaza fa mandry fahalemana ny tany,… Ny valalabemandry 80% mahery mitaintain-dava toy ny sahobakaka ambodiriana. Zary basy aman-tafondro no miandry raha miezaka mijoro sy milaza an’izany eny an-dalambe, ary mety efa voasoratra any an-dapa ny vesatra sy loham-piampangana mifototra amin’ny hoe : fanakorontanana, fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena,… Raha tsy te ho sahirana dia mipirina ka toa manamafy an’ilay hoe : «lasa fonjabe mitafo lanitra i Gasikara ». Sanatria any anaty fihomehezana fanokarana ny fahavoazan’ny mpitondra sisa no hanehoan’ny vahoaka ny hatezerany raha raisina amin’ny fanehoan-kevitra maro mikasika ilay hoe : tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny filoham-pirenena. Tena misy ny mahatafavoaka fiteny na resaka mahery vaika. Tsy faly ny hitanisa ireo kiana sy tsikera mahazo ny Fanjakana fa moa mba mijery sy maka lesona amin’ireny kiana sy fanehoan’ny vahoaka ny fahasosorany amin’ny alalan’ny fihomehezana amin’ny fahavoazan’ny mpitondra ireny ve ny Fitondrana ? Mba mandray lesona sy vonona hanitsy ny tsy mety sa mbola hinia hilaza fa tsikeran’ny vitsy an’isa tsy nahazo jiro ? Asa rahoviana re vao mba hanana fanetren-tena sy fahintsiana e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT