Fa inona ihany no tiana hahatongavana eto amin’ity firenena ity e ? Efa nanaiky sy nilefitra ny kandida an-kilany tamin’ny fifidianana, ary efa nitsodrano ilay ambara fa lany na azo iadian-kevitra aza ny fahalaniana.
Tsy misy intsony eto ny fanajana ny soatoavina fa toa ny manaja tena indray no ezahina homena fanafintohinana sy hanaovana eson-teny. Ny fahefana azo dia efa fahefana milafika amin’ny alahelon’ny ampahana Malagasy tsy azo tsinontsinoavina raha eo amin’ny antontan’isa kanefa toa mbola miezaka manangam-pahavalo ihany. Tsodrano sy fandrantoana fihavanana no tokony hiseho, kanefa dia fihantsiana sy fanesoana no hataon’ny sasany akaiky ilay nampandresena, toy ilay mpanao gazety iray, izay nahasahy nilaza hoe: mirary soa ny filoha Marc Ravalomanana handeha hisotro ronono. Fa efa nisy niteny an’izany ve teto ? Moa tsy fanakaikezana ny vahoaka aza no nolazainy, ary hanao izay ho afany amin’ny fanampiana ny mpiara-belona na tsy ao anaty fahefana ? Asa lahy na tanana efa zatra mitsotra fa tena mahamenatra loatra ilay toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany. Ny fanaratsiana amin’ny haino aman-jery dia tsy miato, fa sesilany hatrany ary toa te hilaza hoe: izahay izao no eto amin’ny fahefana, ka izay tianay io. Asa ihany koa na mba havela hivalona hiaraka amin’ny tantara ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra maromaro na hopotehina tanteraka. Tsy mba misy olona to teny sy mpandala ny fihavanana ve ao anaty ekipa ao ka mba hanitsy ny efa hita fa tsy mety e ? Ny tahaka ireny no manimba endrika ny fanjakana ka tokony hasintaka dieny aty am-piandohana, raha te hahita sitraka amin’ny vahoaka. Misy fetrany rahateo io fandeferana io, ary efa miandry sy mitazana ny vahoaka manomboka izao amin’izay fihetsika sy ny hafitsoky ny mpitondra vaovao, ka sao lahy ho tonga amin’ny fitenenana hoe: ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no sarotra. Raha io fahefana efa miorina amin’ny alahelon’ny ampahany betsaka amin’ny Malagasy io no mbola holaroina fihantsiana sy fananganam-pahavalo dia asa izay hiafarany. Teny atsipy ho an’ny manam-panahy, ka asa raha mbola misy ihany izany fanahy sy feon’ny fieritreretana izany na tsy misy intsony fa efa lafo e ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.