Akorontana mihitsy

ilay Firenena…


  • Alarobia 22 Jolay 2026

Mbola mahavaky vava ny

zava-misy eo anatrehan’ny endrika tsy fandriampahalemana miseho amin’ny alalan’ny fakana an-keriny, fanjavonana, faty olona,… mateti-pitranga tato ho ato. Asa iza tokoa re ny ao ambadika sy mahazo tombotsoa amin’izao e ? Dia tena izao ve sisa no heverina fa paikady mahomby raha toa ka kajikajy politika entina handemena ny Fanjakana sy ny Firenena na koa hanehoana sary ratsy eo amin’izao tontolo izao no ao ambadika. Mandrak’ity ve ny androany tsy misy mangirana sy tsy hita ny paikady entina hamongorana sy hifehezana azy ? Tsy finiavana hivoy savorovoron-tsaina sy handraraka menaka amin’ny afo efa mirehitra sanatrian’ny vava fa mahalasa saina ihany ny zavatra mitranga ankehitriny. Toa misy finiavana hampandohalika tanteraka an’ilay Firenena, hany ka manao ranolava ny toa fibosesehan’ny olana sosialy na eo aza ny heverina fa finiavana sy dingana vitan’ny Fanjakana ankehitriny. Aiza ve ka ny fambolena tsy fandriampahalemana manao ny ataony, vao mitady hilamindamina kely dia toy ny misy manindry bokotra hoe manomboka indray, dia misesy tokoa ny ny tranga. Dia io fa mafampana ihany koa ny raharaha fahatapahan-jiro izay nanery ny Jirama hilaza mazava fa tsy maintsy misy fanapahana mifandimby. Ny vidim-piainana moa na ekena aza fa misy ny finiavana hifehy ny fidangany, dia maro ny mason-tsivana ara-toekarena mbola tsy hahafahana manotra, hany ka betsaka ny mampikolay. Asa rahoviana ihany vao tena hisy anjara masoandro ampy sy araka ny tokony ho izy ho an’ny Malagasy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT