Edito

Akoho tsy naneno tahaka izay …


  • Zoma 16 Septambra 2011

Dia mba tretrika raha samy olona kosa ireo mpomba izao fitondran’ny FAT izao fa sady mahazo midina an-dalambe mitondra sorabaventy, tsy voatoraka baomba mandatsa-dranomaso, no toa hoe mbola nahazo vola sy notaterina tsy nandoa saran-dalana hatreny Maibahoaka sy Ivato.

 Ny olona sasany anefa vao mikasa ny hivoaka ny kianja dia daroka vodibasy sy lakrimôzenina no mahazo azy, mbola miampy fanenjehana sy fisamborana rehefa avy eo. Niresaka demokrasia isika omaly, dia tahaka izany ve ny demokrasia eto ? Misy ny avela manao izay tiany fa misy kosa no henjehina sy rahonana. Dia inona moa no fanovana ao anatin’izany rehetra izany e ? Tsy tokony ho amin’izao fotoana handalovan’ireo mpanelanelana vahiny izao ve no mampiseho fahendrena ny FAT sy ny mpomba azy fa tsy manao sinema hafahafa tahaka ireny ? Olona voakarama tsy misy 200 akory ve no hisolotena ny Malagasy rehetra hilaza fa tsy ekena ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto. Ary nahoana moa raha mba avela haneho ny heviny sy hilanja sorabaventy ary hidina an-dalambe koa ny mpomba ity filoha teo aloha ity mananerana ny Nosy ? Sahy hanome alalana amin’izany ve ny FAT izay efa malaza ratsy any amin’ny Faritra any amin’izao fotoana ? Misy mantsy ireo manampahefana mibodo tanin’olona, voarohirohy amin’ny trafikana andramena, tsy mety mandoa volan’ny hotely nandriany sy nisakafoanany …

Moa va fantatr’i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa manome vahana ny mpifanandrina aminy anie ny fanakantsakanana ataon’izy ireo, ary tena mahazo tombony amin’io Atoa Ravalomanana e ? Ny samy ao anaty lapa efa manomboka tsy mitovy hevitra, dia mbola manangam-bovona amin’ny olona ety ivelany ihany ny FAT. Fahasahiana tsy misy toy izany ary lasa misy aza ny eritreritra hoe : ahoana marina ireto milaza azy fa mpitondra ireto ? Maro be mantsy ireto fanapahan-kevitra hafahafa raisin’izy ireto ? Efa mba nandinika tsara ve Atoa Andry Nirina Rajoelina fa misy manipy hoditr’akondro sy mampijabaka izy, ka rehefa tena ho raikitra amin’izay ny tena baolina dia mety ho mpitazana eny amin’ny sisiny sisa ny tenany fa tsy tafiditra eny an-kianja intsony, fa ireo nailika sy tsy voafantina teo aloha no ho lasa tompon-toerana.

Mampieritreritra ny fahatongavan’ny diplaomaty Maorisianina eto milaza fa avy amin’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina ary hanampy ny Troika sy ny SADC amin’ny fanelanelanana, hono ! Izay tokoa ve ny tena marina sa irak’i Frantsa indray ireo ? Efa malaza ratsy mantsy ry Simao sy Salomao ka ampidirina an-tsehatra indray ny Maorisianina. Handamina ny dinika ve izany rehetra izany ? Nahoana no Ravalomanana foana no lazaina fa hitondra korontana kanefa telo taona izy izao tsy teto an-tanindrazana ? Nilamina ve ny teto ? Midedaka hanova ny tantara ny FAT kanefa tsy mahay maka lesona tamin’ny lasa akory, milaza fa mahavita azy kanefa telo taona latsaka izao mihodinkodina an-toerana fotsiny fa tsy hita izay tena marina aminy. Akoho tsy naneno tahaka izay efa lanin’ny kary e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT