Mipetraka ankehitriny ny fanontaniana taorian’ireo karazam-baovao nifamahofaho am-bolana maro sy ny zava-nitranga tao amin’ny mpanolotsaina monisipaly ny faran’ny herinandro teo hoe : tafiditra ao anatin’ny lisitra maintin’ny FAT ve ny PDS-n’Antananarivo renivohitra, Edgar Razafindravahy ka hikarohana ny hevitra rehetra hanilihana azy ?
Tsy miseho mivantana amin’ny kazarana fanakantsakanana ity PDS ity ny fitondrana foibe, saingy hita ho tsy misalasala mihitsy mitady ny paika sy tetika haharatsy toerana azy ny ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana. Porofo mivaingana amin’izany ilay fanolorana seza ny mpanolotsaina nataon’ity ministera ity nandritra ny fotoana tsy naha teto an-toerana an’ingahy PDS. Io ilay ambara teto foana hoe tsy misy kisendrasendra izany amin’ny tontolo politika fa zavatra efa voaomana mialoha daholo no mitranga. Tsy takona afenina intsony ankehitriny ny tsy fifankahazoan’ny tadin-dokanga eo amin’ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo sy ny minisitry ny fanajariana ny tany, izay marihina fa efa niaraka ihany teo amin’ny resaka politika tany aloha tany, saingy nozarain’ny firehana sy ny foto-kevitra ary ny tombontsoa angamba taty aoriana. Raha ny resaka mandeha ihany koa efa tao anatin’ny fotoana naharitraritra ihany izay dia samy manam-paniriana ny ho kandida amin’ny fifidianana ho avy Atoa isany Hajo Andrianainarivelo sy ny PDS Edgar Razafindravahy.
Raha ny fahitana azy dia efa nanomboka ny fifamelezana mialoha ny fampielezan-kevitra ho azy mirahalahy ireto, koa ny manampahefana kokoa aloha, izany hoe ny minisitra no manezaka mafy amin’izao fotoana raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy. Tena ho sarotra anefa ny hanilika manta ity PDS-n’Antananarivo renivohitra ity ary hanaratsy endrika tanteraka ny FAT sy i Andry Rajoelina. Manahirana ihany koa anefa, eo amin’ny lafiny politika raha manana fahefana maharitra ingahy PDS, koa hita ho sahiran-tsaina ny ao ambonimbony ao amin’ny fifehezana ny Ben’ny tanàna satria mety afaka hamerina ny tantara izy ka handimby an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izay samy naharesy filoham-pirenena na tamin’ny alalan’ny fifidianana izany na tamin’ny fomba hafa. Araka izany dia sady mpiara-dia no namana manahirana ho an’i Andry Rajoelina sy ny fitondrany ny PDS-n’Antananarivo renivohitra
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.