Edito

Akaiky ny fandresen’ny Gasy !


  • Alarobia 05 Aprily 2017

Vaky ny sambon’ny mpitondra malaza amin’ny afera maizina raha ny fahitana azy ankehitriny. Manomboka ny fifaminganana sy ny kajikajin’ny isam-batan’olona ao an-dapa ka miseho masoandro sy tsy takona afenina intsony ny ady na dia niezaka namono afo ihany aza ny lohandohany sasany tany am-piandohana.

Raha nifampiaro toy ny volo ngita nifandray tendro no nahalalana azy ireo, dia efa mifanipaka toy ny valala an-karona ankehitriny noho ny ady saritaka ateraky ny fikatsahana tombontsoa mihoapampana, ka efa misy manao mpamosavy malemy, izay efa ela no nambaran’ny filoha, saingy izao vao tena miseho ho hitam-bahoaka tsikelikely. Tsy tongatonga ho azy izao fa antomotra ny fandaozan’ny mpitondra efa maintimolalin’ny laza ratsy matoa manomboka mifamotika toy izao izy ireo. Ny mpinamana sy mpiara-nigoka ny harem-pirenena aza efa mifamadika sy tsy mifampatoky, ka mifanagadra mainka fa ny vahoaka Malagasy izay efa leom-boanana ve dia mbola hametraka ny fitokisany amin’ireo ihany ? Efa manakaiky ny fandresena hirodanan’ny fanjakana mpanjakazaka sy mpihantsy ady, fa antomotra kosa ny fanjakan’ny olon-kendry, ka hanaovan’ny Malagasy ny hikam-pandresena atsy ho atsy !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT