Edito

Ajanony rehefa tsy hanao e !


  • Alatsinainy 02 Febroary 2015

Tsy re feo intsony, ankoatra ny fanoloana ireo filoha lefitra sy siosion-dresaka ny amin’ny handrodanana ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM) tato ho ato izay. Rafitra vaovao nijoro tao anatin’ny tetezamita tahaka ny CENI-T, CES sy ny CMDN izy ity, nomena andraikitra hikarakara ny fampihavanam-pirenena kanefa dia tena tsy nahavita azy mihitsy.

Resaka fanodinkodinam-bola sy kolikoly indray aza no re tao ary efa nisy dosie niakatra teny amin’ny Bianco mihitsy moa tamin’ny herintaona, saingy tsy hita izay niafarany hatramin’izao. Mampiditra ny parlemanta ao anatin’ny fitohizan’ny asa ataony ny FFKM saingy tsy niresaka mihitsy ny FFM, mbola mandray karama ara-dalàna isam-bolana sy misitraka ny tombontsoany anefa ireo mpikambana 44 mianadahy ao amin’ity rafitra manjavozavo fomba fiasa ity. Efa hiroso amin’ny fakan-kevitra any amin’ny faritra sy ny hanaovana ny fihaonambem-pirenena izao ny FFKM, tsy miloa-bava na dia kely aza ny FFM. Sao dia efa tsy hiasa intsony kosa aza e ? Raha misy rafitra manana fomba fiasa mety sy mahomby ary maharesy lahatra ny rehetra, dia inona intsony moa no mbola ilana ilay rafitra tsy nahavita na inona na inona tao anatin’ny roa taona ? Toa fihetsiketsehana no betsaka fa tsy hita izay tena asa nivaingana. Hitam-poko, hitam-pirenena ny fialana bala nataon’ny FFM momba ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Aoka hazava ny resaka fa tsy niezaka ny hahatanterahan’izany mihitsy izy ireo. Aleo hajanona rehefa tsy hay ilay asa na tsy mazoto hanao an’ilay izy fa mandany volam-bahoaka fotsiny e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT