Ajanony ilay politika mirefarefa !

Ao anatin’ny efa fahantrana


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

mandifotr’olona izao ve isika dia mbola hamboly toe-tsaina

mirefarefa hatrany amin’ny fanaovana politika ? Hifaninana amin’ny politika miiba hifampisintona midina sa hitondra rivo-baovao hifaninana amin’ny tsara ? Aiza ve ka ny manao sy miasa indray no henjehina sy tsatsoina ! Dia raikitra ihany koa ny angoan-tenda hoe : taiza no tsy nanao hatrizay fa aty akaiky fifidianana vao mikofokofoka ! Dia iny novalian’ny kandidan’ny Tia Tanindrazana eto Antananarivo Renivohitra iny omaly hoe : ohatra no apetraka, fomba fiasa no aseho, fa tena azo atao ny manao zavatra, ary mbola tsy eo dia afaka mahavita mainka fa tonga ben’ny tanàna. Asa vita sy zakan’ny eo an-tànana kanefa tena mahasoa ny vahoaka no atao fa tsy fampanofinofisana no atao, ary mizara fintana fa tsy mizara trondro. Mitovy ve ohatra ny fizarana koveta sy ny fampiofanana maimaimpoana ny tanora amin’ny sehatra ny informatika na fahaiza-manao hafa ? Tsy resaka fanasohasoana tsangan’olona sanatrian’ny vava fa efa nisy ny fahadiovam-po nanolorana maimaimpoana ny vina « Antananarivo Nomerika » tamin’ny mpitantana ny kaominina tany aloha maimaimpoana saingy nakisaka haka an-jorony. Moa tsy midika ve izany fa tonga amin’ilay fiteny hoe : raha te hanova dia mila maka fahefana ? Izany ve no atao hoe : mamadika ? Dia diso ve ilay antoko sy olombelona namolavola an’ilay vina sy tetikasa raha miditra an-tsehatra maneho ny noteneniny fa azo atao tsara ny miasa amin’ny sarany mora tsy hakana tombony be, mampiasa orinasa malagasy, mampiasa malagasy, mitondra fahaiza-manao sy haitao novolavolain’ny malagasy,… ? Mila ajanona amin’izay ilay politika mirefarefa fa andao ny soa iombonana no iaraha-mikatsaka, pejy vaovao no hosokafana !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT