Edito

Aiza Rafahafahana ?


  • Talata 25 Jolay 2017

Tany demokratika i Madagasikara, manaja ny sata repoblikanina, manaja ny fahalalahana ary manaja ny fanehoan-kevitra.

Efa samy zava-boalazan’ny filoham-pirenena avokoa ireo na tamin’ny kabary tsotra nataony na tao anatin’ilay fandaharana izay fanolony amin’ny aterineto isaky ny herinandro. Raha nanontaniana moa ny filohan’ny antoko izay natsangan’ny  filoha omaly mikasika ny fahitany ny fiverenan’ny antoko TIM nangataka ny kianjaben’i Mahamasina hanatontosan’izy ireo ny fankalazana ny faha-15 taonany amin’ny sabotsy dia toy ny efa sakana an-kolaka sahady ny valin-tenin’ity filohan’ny antoko HVM sady minisitra ity izay nilaza fa mbola teo amin’ny fitondrana ny filohan’ny antoko TIM tamin’ny taona 2009 saingy tsy nahafehy ny toe-draharaha. Tsy ny TIM, hoy izy no hanakorontana fa ireo miandry kendritohana. Haninona fotsiny izany ireo mpitandro ny filaminana izay hampideraina ho nahazo fitaovana vaovao isaky ny fetim-pirenena izao raha tsy hanara-maso izay mampiahiahy ? Tsy nisy fivoarana mihitsy ve ny mpitandro ny filaminantsika tao anatin’izay 8 taona izay sa misy karazam-bondrona sy antoko tsy sahazan-drafahafahana intsony eto ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT