Mbola fampanantenana aloha no betsaka fa izay azo tsapain-tanana tsy misy manoloana ny famahana ny olam-bahoaka amin’izao.
Dia mbola hihevitra ihany ve ny mpitondra fa fankahalana be fahatany ny fanatsikafonana ny tsy fahafehezana ny fitondrana sy ny fitantanana ny firenena ? Manjaka ny tsy fandriampahalemana, midangana ny vidim-piainana, indrindra ny vidim-bary izay efa tafakatra 1000Ar ny kapoaka any amin’ny faritra maro manerana ny nosy, ny eto an-drenivohitra efa hananika ny 700Ar. Rahoviana ihany vao hisy vahaolana azo tsapain-tanana fa tsy fampandriana adrisa sy fampiesonana lava izao no hafafy ny vahoaka ? Satria ve efa malemy sy sahirana amin’ny fitadiavana izay harapaka dia hararaotina lava fa hoe tsy manam-potoana hitroarana intsony fa lanaky ny fahantrana sy ny fahasahiranana ? Haingo ambony tsikoko sy fireharehana amin’ny tsy misy dikany no tena ataon’ny mpitondra, fa tsy hamaha ny olan’ny Malagasy efa tena mitolefika. Efa feno tokoa ny kapoaka, saingy aleo miandry ny fotoana tena mety hanaporofoana mazava fa leo mpitondra mpihatsaravelatsihy sy mpambotry firenena. Any amin’ny fifidianana no mifampitsara fa ny hirariana dia hisy ny mangarahara. Sa mbola hijanona ho nofy izany ? Ny ampitso no hitsara !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.