Edito

Aiza ny Tia Tanindrazana ?


  • Zoma 19 Martsa 2010

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena. Indraindray toa mampisy tsirim-panantenana, matetika anefa dia haizin-kitroka no mandrakotra ny vodilanitr’i Madagasikara, ka mila hahavery fanahy mbola velona ny vahoaka tsy mandady harona.

Tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, mitombo isa andro aman’alina ny very asa, miakatra an-tanàna ny dahalo, mikararana ny faty olona any ambanivolo any, mampanontany ny maro hoe, fa tany voaozona ve i Madagasikara, ary mbola misy Tia Tanindrazana ihany ve eto amin’ity firenena ity, no dia zary toy izao no toerana misy azy ? Ny zava-mitranga ankehitriny dia mampahatsiaro ireo Malagasy Tia Tanindrazana nitsangana sy nijoro hatrany niaro an’i Madagasikara. Tsy mora izany satria tao no namoy ny fananany, ny fahaizany, eny fa hatramin’ny ainy aza. Toy izany no nosedrain’ireo mpiady tranainy nandray anjara tamn’ny ady lehibe, izay tsy lavo an’ady tamin’ny ady lehibe voalohany dia nitondra ny gripa espaniola teto Madagasikara ka mbola maro no namoy ny ainy na ny mpiady tranainy na ny vahoaka.  Toy ny zanatany hafa nandefa miaramila koa i Madagasikara mbola nanampy an’i La Frantsa tamin’ny ady lehibe faharoa. Izy ireo tafaverina an-tanindrazana no nitsangana tanatin’ny MDRM ka nilaza fa “tsy angatahana ny fahafahana sy ny fahaleovantena fa alaina avy hatrany”. Anaty kihon-dalana lehibe i Madagasikara ankehitriny, fotoana fandinihan-tena koa izao ho an’ny Malagasy ka hamaliany ny fanontaniana, hoe aiza ny Tia Tanindrazana ?

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT