Mety hitsangana amin’ity herinandro ity ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena, araka ny vaovao mivoaka avy any an-dapa any.
Ny tsy fantatra fotsiny dia ny firafiny. Ho hita ao avokoa ve ny ankolafy politika rehetra ? Handray anjara ve ny ankolafy Ratsiraka sy Ravalomanana ? Raha ny fahafantarana azy hatramin’ny omaly mantsy dia tsy mbola manana eritreritra ny hanolotra olona hiditra ao amin’io governemanta io mihitsy ireto ankolafy 2 ireto. Mazava ny hevitr’izy ireo fa tsy nety ary mifanohitra amin’ny ambaran’ny sori-dalana ny nanendrena an’Atoa Omer Beriziky. Midika izany fa tsy mbola eken’ny ankolafy Ratsiraka sy Ravalomanana aloha ny maha praiminisitra azy hatramin’izao ary tsy vonona ny hiaraka hiasa aminy izy ireo. Mbola nanamafy an’io tamin’ny faran’ny herinandro teo ingahy Ravalomanana ary miantso ny mpomba azy hanohy ny tolona na dia efa mandrangaranga fisamborana indray aza ny manampahefana fa tsy azo atao ny mamory vahoaka. Raha ny fandinihana azy dia zavatra roa ihany no mety hitranga. Ny voalohany, hitsangana tokoa ilay governemanta na miditra na tsy miditra ao ny mpanohitra, tahaka ny tamin’ny martsa 2011 io, dia mifandrirarira eny indray aloha am-bolana maro dia horavana indray io governemanta io satria tsy neken’ny rehetra ary tsy afaka niasa tsara araka ny tokony ho izy. Ny tranga faharoa dia mety hiantona indray aloha ny fanendrena ireo minisitra fa miverina ny fifampidinihana eo amin’ny ankolafy politika isan-karazany.
Mety hidinika amin’ireo ankolafy roa tsy mety manolotra olona ireo, ohatra, ny praiminisitra Omer Beriziky tohanan’ny ankolafy Zafy. Mety ho ireo vondrona politika 8 indray no handresy lahatra ny ankolafy Ratsiraka sy Ravalomanana. Mety hiditra an-tsehatra ny fiarahamonim-pirenena. Ary ny mety hitranga farany dia ny hoe rehefa tsy mahay mifanaraka indray ny samy Malagasy dia ho avy Atoa Marius Fransman sy ny ekipany dia ny SADC indray no handamina ny raharaha, dia tonga amin’ilay hoe : rehefa tsy ankatoavin’ny rehetra izay praiminisitra voatendry eo dia miverina hatrany am-boalohany indray ireo dingana rehetra. Tsy tokony hohadinoina anefa fa ny fifampidinihana ihany no ahitana vahaolana amin’ny politika. Raha sahy hanakana ny zanak’i Dada hiditra eny amin’ny Magro izany ny Emmo-reg dia hikorontana tanteraka eto ary ho sarotra alamina, koa inoana fa efa ampy traikefa tsara ireo mpitandro ny filaminana ka tsy hidi-kizo amin’izany fanakanana ny olom-pirenena haneho hevitra izany. Milaza fa olon’ny fihavanana sy ny fifampiraharahana Atoa Omer Beriziky, izay mpampianatra tantara eny amin’ny oniversite ihany koa, ka inoana fa ho matotra ny fanapahan-kevitra horaisiny fa tsy sanatria hitondra ny firenena any amin’ny kizo lalina kokoa noho ny efa iainana amin’izao fotoana, saina matsilo no ilaina izao fa tsy mokon-doha !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.