Edito

Aiza ny hambom-po ?


  • Talata 17 Janoary 2017

Moa va tsy mandeha tsy voizina toy ny lakan-jejo ny fandrosoan’ireo firenena sy nosy madinika manodidina antsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina.


 Tsy mampino hoe efa manankarena avo 25 heny mitaha amin’i Madagasikara ny Nosy Maorisy. Azo sokajiana ho lasa lavitra ihany koa ireo nosy kely hafa raha ampitahaina amin’ny faripiainan’ny vahoaka Malagasy ny faripiainan’ny mponina ao aminy. Samy olombelona no mitantana ny firenena, samy olombelona ny vahoaka entina ka nahoana isika no fadiranovana eto ambonin’ny harena fa izy ireo kosa miadam-pinaritra amin’ny firenena sy ny nosikeliny izay tsy dia misy harena firy akory ? Sokajiana ho tany lehibe sy manankarena mantsy ny firenentsika mitaha amin’ireo hafa manodidina raha ny lafiny harena tsy voatrandraka no resahina, kanefa ny antsika no farahidiny indrindra ny mponina miaina ao aminy. Mitsiriritra ny tanintsika ny maro fa isika no tsy mba tonga saina. Ny Malagasy ve no efa voaozona sa ny finiavana hiala ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana mihitsy no tsy misy ? Ny mpitondra adalan’ny fitiavan-tena, ny vahoaka efa tsy tan-dalàna, hany ka toy ny fanjakan’i Baroa no misy eto. Afotetaky ny foto-pisainantsika isika ka tsy mba misaina ny handray fiaingana vaovao hizorana any amin’ny tena fampandrosoana. Tsy kisendrasendra ny fahombiazan’ny hafa fa teo ny finiavana izay tokony halaintsika tahaka, ka samy manao izay tandrify azy ny entina sy ny mpitondra. Sa kosa mbola mahatsiaro ho miadam-pinaritra ny Malagasy, ka dia hionona amin’ny zava-misy arak’ilay fomba fiteny andavanandro ?

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT