Edito

Aiza ny fihainoana ny hafa?


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Na dia miezaka ny mampitony sy mampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa mahafehy an’ity fahavalom-pirenena iombonantsika ankehitriny ity aza ny

 

 

fitondram-panjakana dia hita ho mandiso izany hatrany kosa ny zava-misy iainan’ny vahoaka malagasy. Mahatonga ny olompirenena sasany ho alaim-panahy hanontany aza hoe fa inona marina moa izany no tena tanjona ao anatin’izao zava-misy izao? Tena ho fehezina tokoa ve ity areti-mandripaka ity sa tsia? Hafa no lazain’ny mpitarika kanefa dia hafa ihany koa no tanterahan’ireo mpandray baiko izay tokony ho maodelin’ny vahoaka. Ny sasany mampitangoron’olona eny Analakely. Ny sasany miara-droa ambony kodiaran-droa. Hanome vatsin’aina ny vahoaka sy hitandro fatratra ilay fihibohana an-trano ve no tanjona dia mbola hasarotina ihany ny arofenitra tsy maintsy arahana sy ny taratasy asaina karakarain’ireo mila izany? Mila dika mitovy amin’ny kara-panondrom-pirenena ny sasany. Mila an’izao ny hafa. Ka inona moa ka tsy toy ny famporisihana ilay olompirenena hivezivezy aty ivelany ihany ve izany? Aiza ilay hoe mila ny tolo-tanan’ny hafa ny fitondram-panjakana hiatrehana izao ady iraisana izao? Tsy efa nandeha teo daholo ve moa ny soson-kevitry ny hafa, ankoatran’ny an’ny “fanjakana”, toy ny hoe aleo ny fokontany tsirairay avy no misahana ny fitsinjarana ireny vatsy ireny? Tsy ny eny amin’ny fokontany ve no mahalala hoe ireto avy no mpamily fiarakaretsaka sy taksibe aty aminay, ohatra? Isan’ny efa soso-kevitra koa ny hoe tsy voatery manaraka ny baikon’ny OMS isika fa afaka mametraka paikady vaovao hiatrehana ity ady ity. Efa nahomby ny fomba fiasa toy izany tamin’ny fandalovan’ny gripa mahery iray teto amin’ny firenena, hoy ilay minisitry ny fahasalamana iray teo aloha izay. Io izao fa mitombo ihany ny isan’ireo nahazo ny aretina vokatry ny fifampikasohana. Mitombo koa ny isan’ny marary ambara ofisialy. Dia tena tsy maintsy hanaraka ny fenitra iraisampirenena sy ny fomba nampanaovina ireo firenen-dehibe ve fa tsy afaka hitady fomba fiasa hafa mihitsy hifehezana izany? Tsy maintsy tanisaina hatrany ve ny hoe “mbola” anaty dingana voalohany isika ka izao no asaina atao? Hifehy fotsiny sa hanafoana tanteraka ity valan’aretina ity eto Madagasikara no tanjona? Sao dia mba efa tokony ho hentitra kokoa, ohatra, ny fanaraha-maso sy ny fanakatonana na sisin-tany io na seranana sy izay rehetra mbola mampanahy ny any ambadimbadika any?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT