Edito

Aiza no aleha ?


  • Talata 24 Septambra 2019

Efa nahazo filoham-pirenena isika izao ary nahazo depiote izay nolazaina hatrany moa hatramin’izay fa “solombavantsika”. Eo am-piomanana amin’ny fizahana izay ho ben’ny tanàna indray izany izao.

 

 

Hiarahan’ny Malagasy rehetra mahita io ankehitriny hoe nanao ahoana ny fiainany tao anatin’izay 9 volana nisian’ny fitondrana vaovao izay. Tsy misy tsy miaiky angamba fa miha mafy ny fiainana an-davanandro. Miakatra ny vidin’ny entana ilaina isan’andro saingy ny fahefa-mividy anefa tsy mihetsika mba tsy hilazana hoe mitotongana. Fanina sahady ny vahoaka. Raha ny fampanantenana tany amin’ny fampielezan-kevitra anefa toy ny hoe tsy miandry 100 andro ,  dia tsy tokony ho toy izao mihitsy ny zava-mitranga. Ny velirano nolazaina milaza fa tsy hila manafatra vary intsony isika atsy ho atsy fa hanondrana aza. Ny mananontanona ao anatin’ilay tetikasa ihany anefa dia toy ny efa milaza sahady ny mifanohitra amin’izany. Ahoana tokoa moa no hahafahana manampy ny vokatra kanefa ny ankamaroan’ny tanimboly efa misy aza ho totofana? Nanana ny fanazavany moa ny tekinisianina mikasika ny antony nahatapaka ilay tsangambato vao saika najoro nandritry ny fankalazana taombaovao Malagasy tany Toamasina teo saingy heverina fa misy dikany ara-tandindona ihany koa ny tranga toy ireny. Tsy hidirana lalina anefa aloha ny amin’izay fa inoana fa hanazava izany amin’ny fotoana maha mety azy koa izay afaka manao izany. Ny fanontaniana mipetraka izany izao dia hoe ho aiza marina isika ity? Aiza no aleha?

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT