Edito

Aiza moa no handroso !


  • Alakamisy 22 Septambra 2016

Vaovao nalaza tamin’ity herinandro ity ny ankisisika amin’ny fampidirana mpianatra ho manamboninahitra ka voatonona ny vadin’ny filoham-pirenena sy sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria.


 Tany anaty fesiboky sy tranonkalana fikambanana Malagasy any ivelany any no nielezany. Nokobokobonin’ny marina ny mpitondra ka mitady izay hamaharana. Terena hampidirana resa-politika ny resaka ka nanononana ny anaran’Atoa Marc Ravalomanana ho ao ambadiky ny fivoahan’io resaka io. Miha miitatra ny fingana ara-politika isan-karazany hamelezana ity ny filoha teo aloha ity. Nandeha ny resaka Andohatapenaka izay sotasota sy fitarihana azy hihoa-pefy saingy tsy nahomby ny tetika noho ity farany tsy tia korontana. Mandeha indray ny resaka fampidirana mpianatra ho manamboninahitra ary foronina ho tompon’antoka ny tenany. Fandotoana ara-politika no betsaka noho Atoa Marc Ravalomanana atahorana mafy amin’ny fifidianana ho avy. Ho avy ihany koa ny volavolan-dalàna momba ny heloka ara-toekarena sy ara-ketra izay hamelezana ireo mpandraharaha ka maro ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Ity fanjakana ity ve izany dia tsy mba hanana laza tsara ? Aiza moa isika no handroso !

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT