Aiza izy izany?

Ity vao tena tonga amin’ilay


  • Alarobia 05 Novambra 2025

fanontaniana fametraky ny tanora hoe

Aiza izy izany?». Azo lazaina ho ny miaramila izany, hatreto, no maneho fihetsika feno fahendrena indrindra amin’izay herivelona misy rehetra eto amin’ity firenena ity. Na herivelona politika io na fiarahamonim-pirenena, eny, na ireo heverina hoe raiamandreny eto amin’ny firenena aza dia tsikaritra ho mihazohazo tsy hita hoe inona ny tena fanapahan-kevitra iarahan’izy ireo mandray manoloana ny tokony ho famahana ny krizy taorian’iny krizy nipoaka hatramin’ny 25 septambra teo iny? Hendry ny miaramila satria nandray andraikitra naka ny toerana banga hitantanana vonjimaika ny firenena satria ireo mpanao politika nilazaon’izy ireo mbola nifanditra aloha hoe anay ny toerana atsy na anay ny toerana aroa. Heverina mihitsy tokoa ny hoe nahatsiaro ho tsy nanam-pidiny ny miaramila, raha ny fanapahan-kevitra raisina ao ambony indrindra ao, izay tsikaritra ho toa mandroso mihemotra hatrany aloha hatramin’izao? Raha ny hiakan’ireo hita ho nitolona teny an-kianja rehetra teny ka hatreny amin’ny 13 may etsy Analakely nialohan’ny naha rava ny fitondràna Rajoelina nefa aloha dia izao fitondràna tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina sy ireo Kolonely miisa 4 miara-mitantana aminy izao no heverina fa hany balizy misy ho jerena indrindra rehefa jerena ny fihetsiky ny mpanao politika, izay mbola tsy manan-tsaina afa-tsy ny haka seza ny ankamaroany. Mbola tsy nisy teto amin’izao tontolo izao angamba! Miaramila indray no mahay mampihatra demokrasia lavitra noho ny sivily sy mpanao politika mitantana firenena. Miaramila indray no mampianatra demokrasia. Tamin’ity faran’ny taona 2025 ity no nahitàna izany ary eto Madagasikara amin’izao fotoana hitenenantsika izao. Na izany na tsy izany anefa miandry isika hoe aiza ihany ilay fanovàna? Aiza ilay hoe fanorenana na fanorenana ifotony? Mialohan’izany rehetra izany, aiza ilay fikaonandoham-pirenena? Aiza ihany? Aiza izy izany?
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT