Tsy vita tamin’ny herinandro voalohan’ny volana aogositra ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalana, ary raha ny fandinihana azy dia mety tsy mbola ho tanteraka amin’ity herinandro faharoa ity mihitsy izany.
Dia miverina indray eto ilay fanontaniana hoe fa avy aiza ary ny loharanom-baovaon’ny FAT ka nilazana fa atao amin’ny fiandohan’ity volana ity ny sonia ? Ny Dr Simao aloha dia efa niteny an’io ihany tamin’ny fandalovany farany teto, saingy mazava izao fa vinavina ihany ny azy fa tsy izy tenany no manapa-kevitra. Ny tranga tahaka izao ihany koa dia manaratsy endrika hatrany ny fitondrana tetezamita efa malaza amin’ny fivadibadihan-dela sy ny fampandriana adrisa ary ny fampanantena poakaty.
Nisy ihany aloha ny nino sy nanantena, kanefa dia izao iaraha-mahita izao ny zava-misy, tsy mbola ato anatin’ny herinandro izany no hanasoniavana ny sori-dalana satria ny raharaha Madagasikara aza mbola anisan’ireo hodinihan’ny fivorian’ny SADC any Luanda. Ary raha ny tsiliantsofina re dia misy ireo teboka goavana mbola hazavaina sy hodinihana ny fampiharana azy, tahaka ny fodiana an-tanindrazan’ny filoha Marc Ravalomanana, ohatra, sy ny fahafahany milatsaka hofidiana filoham-pirenena.
Ity resaka iray ity mantsy dia tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra ankehitriny mihitsy, ary efa maro ny mahatsikaritra fa miova endrika avy hatrany ary indraindray aza tahaka ny romotra mihitsy Atoa Andry Rajoelina raha vao miresaka an’ilay iraika lahy teo alohany. Raha manaraka ny fandaminan’ny sehatra iraisam-pirenena anefa isika dia tsy azo ihodivirana io fiverenan’ingahy Ravalomanana io sy ny famelana azy handray anjara malalaka amin’ny fiainam-pirenena, izay mantsy no tambin’ny nanekena an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita, na dia niara-nahita izao aza fa nanongam-panjakana izy satria tsy nisy fifidianana no naha filoha azy. Rehefa tsy manaiky io fiverenan’i Dada io ny FAT dia tahaka ny hoe : tsy mbola misy filoha ihany koa izany ny tetezamita ary mitovy tantana ny handraisana ireo ankolafy politika rehetra misy eto.
Tsy hisy hanambara izany an-taratasy na amin’ny fomba ofisialy, fa dia izay fotsiny aloha no izy raha ny diplaomasia no resahana, tsy maintsy misy ny fifanekena miafina eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Koa matoa tsy mety mipoitra ny vahaolana dia misy tsy manatanteraka ny zavatra nekeny izany ao. Mety tafiditra ao anatin’izany ny tsy mbola hahafantarana mazava ny daty hiverenan’i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka eto satria izay no fifandaminana tany ho any ary nanaiky sy nanaja izany izy mirahalahy. Raha sanatria moa ny FAT ka milaza fa tsy mila ny SADC sy ny fanelanelanana iraisam-pirenena dia izay vao tena ho loza no mitranga eto fa dia hanjaka amin’izay ny gaboraraka sy ny didin’ny be sandry ary mety ho sarotra ny hifehy ny fanjakana, mety hipoitra etsy sy eroa koa ny mpanohitra mitam-piadiana dia ho raikitra ny ady an-trano. Satria rehefa tsy hita teny ambony latabatra ny marimaritra iraisana dia mety samy hanao izay mahametimety azy amin’izay. Manahirana ny toe-draharaha satria ny sonia tsy vita, ny krizy miha mafy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.