Edito

Aiza izay mba valim-babena e ?


  • Talata 06 Desambra 2016

Mbola manakoako ny fandresena miezinezina azon’ny ekipam-pirenena Malagasy teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, ka nisalorana ny anaram-boninahitra maha tompondaka eran-tany.

Tsy fandresen’ny ekipa fotsiny izany fa fandresen’ny firenena manontolo. Tsy vao izao isika no nahazo  anaram-boninahitra tompondaka eran-tany na tompondaka tamina fifaninanana iraisam-pirenena mitovitovy lenta amin’izany fa efa maro ny sehatra nisalorana io anaram-boninahitra io, toy ny haiady “kick boxing”, ny lalaon-tsaina échecs”, ny baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika… saingy andro vitsy ihany ireny olona nanandratra avo ny voninahi-pirenena ireny no nindraindraina fa aorian’izay dia miverina amin’ny fiainana mahazatra azy. Any amin’ny firenen-kafa kosa, kilasiana ho maherifon’ny firenena ireny mpanao fanatanjahantena ireny, ary maro ny tombontsoa sy ny anjara toerana omena azy. Maro, ohatra, ny firenena manokana volabe hiantohana ny fiainana manontolon’ireny olona ireny. Misy ny mampisitraka azy sy ny fianakaviana tombontsoa, toy ny tsy fandoavan-ketra mandra-pahafatiny ho setrin’ny fanandratana ny firenena. Tsy mahagaga raha mandroso amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ny firenen-kafa. Tsy raharahan’ny mpilalao fotsiny io fa raharaham-pirenena, ka antoka lehibe hisian’ny fahombiazana ny politikan’ny mpitondra amin’ny fitsinjovana ny mpanao fanatanjahantena ary mandeha ho azy ny ezaky ny mpilalao avy eo.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT