Edito

Aiza izay fitoniana eo ?


  • Zoma 10 Jolay 2015

Toa lasa honohono na resaka handanian’andro fotsiny ny hoe fametrahana ny fitoniana. Tsy izany mihitsy no tsapa amin’ny fihetsik’ireo mpitondra. Maro amin’izy ireo no mahery fiteny, ao mihitsy ny mandatsa sy manao esoeson-teny, misy aza moa no faly amin’ny fahamavoan’ny sasan

 


y. Izany ve no mpitondra fanjakana handamina ity Madagasikara ity ? Tahaka ny tsy nisy ilay dinika ho amin’ny fampihavanam-pirenena, asa hoe efa nalevina anaty lavaka im-pito mandifotr’olona mihitsy angamba ilay fehin-kevitra 19 pejy teny amin’ny CCI Ivato. Anisan’ny fototra niaingan’ny fametrahana ny fitoniana ny tondrozotra izay nifanekena fa hotanterahana, odiana fanina tsotra izao anefa ny andininy sasany ao, toy ny fanokafana ny haino aman-jery rehetra nakatona, ohatra. Tena sarotra ny krizy niainana teto nandritra ny tetezamita, natao ny fifidianana fa hoe io no hitondrana mankany amin’ny fitoniana, be ny fampanantenana tamin’ny propagandy…saingy indrisy fa io mbola iainana isan’andro io ny fanaparam-pahefana sy ny fanomezana vahana ny antokon’ny fitondrana sy ireo rehetra tsara resaka amin’ny mpitondra. Krizy vaovao no iainana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT