Aiza ireo vava be tany aloha ?

Raha tahaka ny fampiasan-tsaina sy fampiasam-bola amin’ny


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

fanatanterahana ny kajy politika handrobana fahefana sy hiarovan-tseza ny famahana

ny olana sy fahantram-bahoaka, angamba tsy ho farahidiny tahaka izao ny firenena. Aleo tsiahivina kely ireo fanontaniana napetrak’ingahy Filoha tany amin’ny taona 2018 izy hoe : tsy misy intsony ve ny delestazy ? Manana asa ve ny olona ? Mandry fahalemana ve ny tany ? Asa raha mba averina aminy sy ireo mpiara-mitondra aminy io dia inona no ho valiny ! Ireny iaraha-maheno ireny valy boraingina sy fanilihana andraikitra, ary fiheverana ny Malagasy ho bado sy badraodra mandavan-taona sy mandrakizay. Lazaina fa lavaka be no noraisiny tamin’ny fitondrana firenena kanefa ny fanonganam-panjakana 15 taona lasa izay no isan’ny lavaka nangadiana namotika ny firenena. Nanao ahoana ny Jirama nialohan’ny nahatongavany teo ? Nanao ahoana ny Air Madagascar ? Ny tahan’ny fahantrana tsy nitsaha-niakatra, ny fahatokisan’ny mpampiasa vola nijotso sy nitotongana ambony ambany ? Ny ara-toekaerana dia ireny iarahantsika maheno ireny ny fomba firesaka nahay nitantana matoa 5000Ar ny Euro fa raha tsy nahay nitantana efa 10 000Ar io. Ny nidirany teo tany aloha anefa tany amin’ny manodidina ny 2000Ar. Sarotra ny adihevitra rehefa olona tsy manaiky ho diso no eo amin’ny familiana sy fanapahan-kevitra momba ny hoavin’ny Firenena. Manahirana rehefa mpanao npolitika tsy mahalala afatsy ny tenany sy ny antokony no mandidy sy manapaka, hany ka na zavatra tsy mahasoa ny firenena kanefa izay no mba mitrobona ao an’eritreriny, dia iny no tsy maintsy zakain’ny besinimaro, na dia ny mpanapa-kevitra aza no tokony hizaka ny tsy fahombiazan’ny fitantanany. Hatreto, tsy fantatra mazava intsony izay tena lalan-kizoran’ny Firenena, fa tahaka ny mandeha jojorombona fahoany fahoany. Mihasarotra andro aman’alina, saingy tsy maharototra ny mpitondra. Ny hany hasisika ao an-tsain’ny vahoaka dia ny hoe : izao no atao hoe : fandrosoana, sarotsaronana amin’ny kisehoseho ivelany ny tsy fahombiazana,… Tena haingo ambony tsikoko e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT