Edito

Aiza ireo “Ratsy holavina” ?


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Efa nampoizina ihany ny zava-nitranga tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny omaly.

 

 Raha fifampitaomana hanasonia fifanekena no nandrasana dia ahiahy niavosa no nifanesy nifandimbiasan’ireo kandida ho filoham-pirenena sy izay solontenan’izy ireo tonga nanotrona izany teny an-toerana. 6 monja amin’ireo kandida 30 no nanasonia ilay satan’ny fifampitondrantenan’ireo kandida. Dika malalaka moa izay fa na dia ny lohatenin’ilay sata aza dia natao tamin’ny teny frantsay kanefa soatoavina no saika nohirahiraina. Teo amin’io soatoavina io indrindra anefa no tena nahitana ny fandringan’ilay sata. Aiza tokoa no hisy mazava tsy hisy haizina hanohitra azy ? Matoa misy ny afo dia misy ny rano. Matoa misy ny kely dia misy ny lehibe. Matoa misy ny avo dia misy ny iva. Dia toy izany hatrany hatrany ny fiainana eto an-tany. Matoa misy ny tsara sy ny soa dia tsy maintsy misy koa ny ratsy manohitra azy. Raha fihavanana, firaisankina, fifanajana sy ireo lazaina ho fahendrena Malagasy rehetra ary no nambara ho soatoavina sy hiantsoana ireo mpisehatra amin’ity fifaninanana hahazo an’Iavoloha ity hohajaina miaraka aminy dia aiza kosa ary ireo ratsy tokony holavina amin’izany ? Raha tena ny maha Malagasy tokoa ary no hohalalanina dia aiza ireo sazy tokony hiaraka amin’ireo fady ? Inona no hihatra amin’izay manota fady ? Misy ny tody saingy hahandry ny fiavian’izany ve ny Malagasy nampiainina tao anaty fahantrana nandritry ny 50 taona mahery ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT