Edito

Aiza ilay mangarahara e ?


  • Talata 03 Martsa 2015

Efa tsy nazava izay niafaran’ilay 17 tapitrisa ariary vola nomen’ny malala-tanana hanampiana ireo traboina noho ny rivodoza Chedza. Izao dia mbola manjavozavo ihany koa ny momba ilay hoe 5 miliara ariary navoaka avy ao


amin’ny kitapombolam-panjakana ka nomena hotantanan’ny BNGRC. Tsy filam-baniny ny an’ny olona fa mba fitakiana ilay mangarahara fotsiny ihany, ary ny filoha Rajaonarimampianina dia nanome toky fa hangarahara ny fitantanana ny volam-panjakana. Ka aiza, nahoana no tsy tanterahana ilay izy fa atao kabary fotsiny e ? Efa nisy ihany mantsy teto ily hoe mametraha kely ho fanarenana ny Rova, fa hatramin’izao tsy mety tafarina ny rova, ny volan’ny vahoaka notangosana teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina fotsiny, tsy fantatra hoe natao inona marina. Mila mailo ny fitondram-panjakana amin’izao vanim-potoana manjombona andalovan’ny firenena izao, sahirana ka mora sorena mantsy ny olona, ka raha tezitra eo izy ka mitroatra dia izay no izy ! Asa raha mba fantatr’ireo mitondra fa misimisy ihany ny olom-pirenena tsotra maminavina fa tsy hahatody hatramin’ny farany ny fotoam-piasany i Hery Rajaonarimampianina. Izay ny resaka vola fa eo amin’ny fitantanana dia betsaka koa ny manjavozavo. Tsy fantatra intsony hoe : iza no manao inona fa toa mifandrombaka izany ireto manampahefana, re fa toa nisy sahady ny olona ambony nifamaly imasom-bahoaka nandritra ny fitsidihana ireo traboina teny Soavina ny herinandro lasa teo. Izany ve no mpitondra antenaina hanarina firenena …mifanebaka imasom-bahoaka ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT