Edito

Aiza ilay mangarahara ?


  • Zoma 27 Febroary 2015

Fotoana izao hampisehoan’ireo mpitondra fanjakana eto amintsika fa mahavita azy sy azo itokisana izy ireo, ka afaka mahita vahaolana amin’ny fahasahiranan’ny vahoaka.Mazava be izo fa tena i Madagasikara iray manontolo mihitsy no traboina, mila fanampiana, mila famonjena.


Antenaina f tsy hisy amadika ho fitovna politika indray izao fahasahiranana izao, andrandraina ihany koa mba ho ara-dalàna ny fikarakarana fa tsy hoe satria ao anati’ny fahamaikana dia dikaina ny lalàna velona.Somary manahiran-tsaina ihany mantsy ny mandre fa hoe nanolotra an’izao sy izao hono ny vadin’ny filoham-pirenena, ekena mihitsy fa tokony hanao asa soa izany vadina filoha izany, fa aleo hazava tsara hoe :vola avy aiza io ampiasainy io ? Volany manokana ve, sa ampahany amin’ilay tetibola nomena azy amin’ny maha vadina filoha azy, sa volam-panjakana, sa vola nomena mpiara miasa na olona tsara sitra-po.Aleo hazava ny resaka e !Efa tena be loatra mantsy ny sangodim-panina eto, ary tsy iza fa ireo olona ambony sy manampahefana ihany no tena manao izany fa tsy ny olom-pirenena tsotra akory.Ny filoham-pirenena rahateo nilaza fa atao mangarahara ny fitantanana, koa rariny sy hitsiny raha miatomboka amin-dRamatoa vadiny izany e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT