Edito

Aiza ilay fanovana e ?


  • Zoma 24 Febroary 2012

Ny fametrahana araka ny tokony ho izy ny fifandaminana mizotra mankany amin’ny fitoniana no tena zava-dehibe fa tsy ny fanenjehana velively ny fetr’andro na fe-potoana napetraka mialoha.

 Nanaporofo izany ny SADC omaly, raha nilaza fa tsy dia ilay fanajana ny datin’ny 29 febroary akory no tena zava-dehibe, fa ny fahitana vahaolana iombonan’ny besinimaro hahafahana manohy ny fananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana araka ny ambaran’ny tondrozotra. Tsy asiana resaka be intsony ny amin’io fa dia efa marimaritra iraisana no teny mibaiko ao. Rehefa tena dinihana anefa dia toa nijanona ho filamatra ho an’ireo mpanao politika malagasy ihany io teny io, satria telo taona izy ireo tsy nahita izay marimaritra iraisana. Isan-karazany mihitsy ny kabary re teto, ary samy mahay mandaha-teny izay rehetra mijoro maneho hevitra. Tsy mandroso mihitsy anefa isika fa toa mihemotra aza. Ny tena mampatahotra dia lasa mifangaro amin’ny olana ara-bola sy ara-toekarena manerana izao tontolo izao ilay krizy eto Madagasikara ka tsy dia mampiraika ny any ivelany firy intsony. Marina fa manana solika sy harena ankibon’ny tany maro i Madagasikara, saingy mbola mahavaky loha ny vazaha ny any Iran sy Syrie.

Ekena fa maro ny fampiasana vola vahiny azo atao eto, saingy mbola manahirana ny eoropeanina ny fialana amin’ny vola iombonana euro sy ny fanavotana an’i Grèce. Malaza mihitsy ny hoe CENI sy fifidianana madio sy mangarahara aty Afrika, samy mitana ny sain’ny vazaha kokoa ny fifidianana hitranga any Rosia sy Frantsa ato ho ato. Haingon-trano mba hamenoana ny vaovao any amin’ireo firenena tandrefana fotsiny angamba ny savoritaka mety hateraky ny fifidianana atao any Senegal amin’ny alahady ho avy izao, ary tsy mbola manaitra ny olona any ivelany akory ny fifidianana hotanterahana eto Madagasikara amin’ny manaraka. Mila tonga saina ny rehetra ao anatin’izany tranga sy seho izany, fa tsy variana amin’ny fitadiavana tombontsoa ho azy samy irery fotsiny. Fanovana no nambara fa atao eto, ka aiza ho aiza ary ilay fanovana, 3 taona aty aoriana ? Inona no niova ? Ny mpitondra ve ? Ny fomba fiasa ve sa ny fomba fanangonan-karena ? Niha nanankarena ve ny malagasy ? Niha tsara ve ny fiainan’ny isan-tokantrano ? Avoahay ny salanisa dia iaraha-mahita eo ! Fa raha ny zava-misy amin’ny fiainanaa andavanandro aloha dia nihemotra isika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT