Efa 42 taona izao no nandrenesana an’izany Bemolanga sy Tsimiroro izany fa toa malaza tsy hihinanana toa lovian-tsahona fotsiny.
Lasa resaka miafina any ambadika any ilay menaka mavesatra trandrahina ao Tsimiroro ataon’ny orinasa Madagascar Oil ambara ho afaka manodina an’ireo foiben-jiro ao Mandroseza sy Ambohimanambola kanefa toa lasa nofy ihany fa dia mbola manafatra any ivelany. Misy tsikombakomba tamin’ireo mpitondra nifandimby teto ve ny tsy fitrandrahana an’ireo harena ankibon’ny tany ireo ? Asa lahy fa dia fanazavana ara-teknika, izay ny tena marina efa taona maro, ihany koa no nahenoana an’izany dia ny hoe : kalitao tsy mifanaraka amin’ny ilain’ny tsena ny solitany eto amintsika. Tsy manana manampahaizana amin’izany ve isika ? Roa taona lasa izay dia nisy fifanarahana teo ambany elatr’i Madagasikara Oil natao teo amin’ny oniversiten’Antananarivo sy oniversite iray any Indonezia (Gaja Mada) mba hanofanana teknisianina Malagasy amin’ny fanodinana ny menaka mavesatra ho lasantsy, feul, gazoala ary etona. Aiza izay tohiny ? Mahalasa fisainana ihany ny ataon’ny fitondrana ankehitriny. Toa ny fahazoana vola maika no ataony fa tsy misy ny ezaka lavitra fa dia ny mamarotra an’ireo harena amin’ny vahiny no mahamay azy sitrany vola mihodina hividianana mpifidy. Efa ho 4000 Ariary ny iray litatry ny lasantsy sy gazoala, miakatra miaraka amin’izany ny vidin’ny vary sy ny filana andavanandro. Toa tsy rototra ny mpitondra fa mitazam-potsiny ary mifaly misehoseho etsy sy eroa mitokana zava-bita, hono. Fa aiza ihany ny solitany izay itangosam-bola tokony hanamboaran-dalana e ? Ny lalana anefa potika andro aman’alina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.