Vita iny fampidirana ilay ramatoa malazan’ny kolikoly eny Antanimora ary miandry ny ho tohin’ny fitsarana ny rehetra.
Samy mampanantena moa na ny fitsarana na ny mpandraharaha ny fonja fa tsy hanaiky lembenana amin’ny mety ho tsindry fa hiezaka mandrakariva hampihatra ny tany tan-dalàna. Voizina foana ihany koa anefa ny hoe tsy nahavita fahagagana iny olona iray fa tao ireo olona ambony mpiray petsapetsa, saingy hodiana tsy hita sy hanaovana be marenina lava izao. Efa mivoaka ary saika resahina isan’andro ny anaran’ny olona nanome tsenam-panjakana sy nanampy an’i Claudine Razaimamonjy tamin’ny afera malotony saingy mba nisy na indray maraina ve nampanantsoana azy na dia hanaovana fanadihadiana tsotra fotsiny aza ? Rahoviana vao tena hijinja ny afera malotony ireny olona ireny sa miandry ny mpitondra manaraka afaka ny hanenjika sy hampihatra ara-drariny ny lalàna ? Toa mbola midingin-drambo sy manao gisalahy mangala-ketsa mantsy ireo efa fanta-poko sy fanta-pirenena fa tompon’antoka tamin’ny afera maloto sy fanodinkodinana volam-panjakana. Mbola mialokaloka ao ambanin’ny fahefana eo am-pelantanana aloha, ary mbola afaka miaina an-kalalahana saingy na ho ela na ho haingana tsy maintsy hijinja ny nafafy fa satria misy fetrany fanjakan-jiolahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.