Ahodina amin’ny firingan-dresaka

Efa iaraha-mahalala fa an-taonany maro izao no


  • Alakamisy 27 Jona 2024

adihevitra be teto amin’ny firenena ny mikasika izany fahaleovantenan’i Madagasikara izany.

Maro rahateo ireo tondro nampiseho izay tsy mbola fahaleovantenan’ny firenena amina sehatra isan-karazany izay na lafiny toekarena io na politika na hafa. Na ny fotoana lazaina fa fanamarihana izany fahatsiarovana fahaleovantena izany aza dia mbola saika ireo akora vita sinoa hatrany hatramin’izao 2024 izao no nentin’ny ankamaroan’ireo zaza sy ankizy malagasy hoe nankalazana izany. Izany ve, ohatra, no antsoina hoe «fahaleovantena ara-kolontsaina»? Vao tsy ela akory no nivoaka ny tarehimarika fa maherin’ny 8 miliara sy 600 tapitrisa Dolara ankehitriny ny trosan’ny firenena. Potika ny Air Madagascar. Mbola potika koa avy eo ny Madagascar Airlines nahasolo azy. Efa hatrany amin’ny fitondrana Ratsiraka no nanomezana ireo orinasam-panjakana na «société d’Etat» maro ho an’ny sehatra tsy miankina. Ny JIRAMA izany sisa io no mitsipozipozy. Mbola an’ny fanjakana malagasy manontolo tokoa ve izany orinasa izany? Izany rehetra izany ve no antsoina hoe «fahaleovantena ara-toekarena»? Farany teo moa dia nalaza mihitsy ny hoe efa vazaha ny filoham-pirenena. Nanamafy koa ity farany fa ho an’ny fianaran-janany no antony nakany ilay fiofoana na «naturalisation» saingy gasy fo sy saina ary fanahy izy. Inona izany no antony tsy ampianaranao ny zanakao eto? Tena mila izany fakàna zom-pirenena vahiny izany ihany koa rahateo ve ny fampianaran-janaka any ivelan’ity firenena ity? Tsy ny filoham-pirenena ihany moa fa saika ny ankamaroan’ireo mpitondra ankehitriny sy mpanao politika ihany koa izao no mirehareha fa mampiana-janaka ivelan’ity firenena ity. Misy ve, raha izany aza no izy, eto ny antsoina hoe «fahaleovantena ara-politika» sy «fahaleovantena ara-panabeazana»? Andrasana indray izany manomboka eto raha mbola misy koa ny antsoina hoe «fahaleovantenan’ny fitsarana» amin’ity valim-pifidianana ofisialy ho avoakan’ny HCC ity. Izany rehetra izany, amin’ny ankapobeny, no antony mampiady hevitra hatramin’izao momba ny hoe mahaleotena tokoa ve sa tsia ity Madagasikara ity saingy ahodina amin’ny firingan-dresaka toy ny hoe asakasak’izay tsy tia ny azy toy ny efa fanaon’ny seraseran’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana na ny ao anatiny ao mihitsy hatrany moa izany rehetra izany. Raha firingan-dresaka toy izany moa no tena hampandroso sy hahazoana fahaleovantenam-pirenena marina maninona?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT