Edito

Ahiahy tsy hihavanana


  • Talata 11 Aogositra 2020

Manomboka afa-bela amin’ny valanaretina isika, raha fintinina ny voalazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

 

Na izany aza somary mampanahy sy mampahatsiahy ilay nambara roa volana latsaka izay, fa efa tena voafehy ny valanaretina kinanjo zavatra hafa no nipoitra. Irariana mba tsy ho toy izany intsony no hiseho amin’ity indray mitoraka ity. Irariana mba tsy ho fanapahan-kevitra politika hoenti-mampitony ny menomenon’ny vahoaka eo anatrehan’ny hanohanana sy ny fahantrana mety hiteraka fipoahana, fa mba tena voalanjalanja tanteraka sy mifanaraka ny fenitra ara-tsiantifika. Raha jerena amin’ny fihetsiky ny Mpitondra niainga tany amin’ny Filoham-pirenena rahateo, dia toa tsy nisy nilàna azy izany ny hamehana nentina nifehy ny vahoaka, raha azo natao ihany ny namory sy nampitakosona olona tetsy sy teroa. Raha raisina amin’ireny, dia natao hanamparana fahefana fotsiny ny lalàna sy ny hamehana, fa ny mpitondra afaka manao izay tiany hatao ihany. Azo antoka sy tena mitombina ve ny Filazan’ny fitondram-panjakana fa efa tonga eo amin’ny fetra mahatony sy tsy fiakarany intsony ny trangan’ny valanaretina? Azo lalaovina tsara ny antontan’isa ka tokony ho samy mailo, mampitombo avo folo heny ny fahamailoana efa nananany teo aloha ny olom-pirenena tsirairay. Tsy fantatra intsony mantsy matetika izay zavatra mitombina sy tsy mitombina lazain’ny fitotondram-panjakana. Hafa no lazaina androany, ary mivadika ho hafa iny rahampitso. Mbola betsaka ny ahiahy tsy hihavanana, ka ny fanafodiny dia aoka samy hiaro ny rambony tsy ho tapaka eo anatrehan’ny fihatrehana ny asa aman-draharaha. Mbola tsy afaka misioka satria mbola tsy tafavoaka ny ala, ka ny irariana mba hizotra makany amin’ny fihatsarana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT