Edito

Ahiahy sy fanantenana


  • Alarobia 07 Oktobra 2015

Manara-maso akaiky ny zava-mitranga eto an-drenivohitra indray aloha manomboka izao ireo mpanara-baovao satria manana anjara toerana politika goavana amin’ny fiainam-pirenena izay zava-mitranga eto.

 


 Lalao Ravalomanana no ben’ny tanàna. Hiasa izy ary nilaza fa hanasoa sy hikarakara ny tanàna sy ny mponina ao aminy. Ny fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro dia ny hoe :dia inona ary ny tohiny avy eo ? Hanara-dia an’Atoa vadiny sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha ve i Neny ka mety ho lasa filoha indray andro any ? Tena miankina amin’io mantsy ny mety ho endriky ny fiaraha-miasany amin’ny fitondrana foibe. Tsy maintsy misy foana ny kajy politika na ho an’ny an-daniny io na ho an’ny an-kilany. Ny takian’ny vahoaka dia ny tanàna milamina, fiainana mirindra ary mba misy zavatra mivaingana mitsangana amin’izay fa tsy ho variana amin’ny adilahy politika ny mpitondra. Iaraha-mahalala ihany moa ny fahasahiranan’ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny tsy fahazoana famatsiam-bola, hany ka mampieritreritra ihany ny mety ho akon’izany eo anivon’ny kaominina izay mety ho kely ny vola fanampiana ho azo no mbola hihena ihany koa ny hetra miditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina satria avantana any amin’ny fitondrana foibe ny hetra sasany. Na eo aza ny ahiahy, ny mponina no velom-panantenana fa mba ho lasa tanàn-dehibe mendrika ny maha renivohitra azy amin’izay Antananarivo atsy ho atsy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT