Ahi-dratsy!

«Efa taona firifiry no nantenaina hitondra soa? »


  • Zoma 25 Jolay 2025

Ahi-dratsy no naniry, tany maina avokoa!», hoy ny hiran’ny tarika Mahaleo

amin’ny fotoan’andro. Fotoana izay tsy nahitana mangirana mankany amin’izany atao hoe fandrosoana marina izany mihitsy teto amin’ity Madagasikara ity tamin’ireny fotoana ireny. Ankehitriny, 16 taona mahery izao, io iaraha-miaina io indray izany mandrak’androany ny ahi-dratsy naniry hatramin’ny fotoana nitrangàn’ny antsoina hoe «fanonganam-panjakàna» ny taona 2009. Raha zaza 7 taona tamin’izany fotoana izany, izany hoe hary saina, hoy ny fitenenana, dia efa 23 taona izy amin’izao. Efa nahatakatakatra ny niseho teto amin’ny firenena io zaza io tamin’ireny fotoana ireny rehefa nijery fahitalavitra na nahatazana ireo setroka nidonaka mainty be teto Antananarivo nandritry ny antsoina hoe «alatsinainy mainty» ny 26 janoary 2009, raha nipetraka teto Antananarivo moa izany. Nanomboka teo hatraty amin’ny fotoanan’ny fifampitifirana teny Ambohitsirohitra ny 7 febroary 2009 dia an’aliny ireo malagasy very asa. An-jatony maro koa ireo namoy ny ainy mivantana satria may tao anatin’ireo orinasa voadoro sy voaroba na koa voatifitra teny Ambohitsirohitra. Nidirana nandritry ny 5 taona ny tetezamita nentin’ny filoham-pirenena ankehitriny ary samy nahatsiaro ilay fomba fiteny tamin’izany ny rehetra hoe «mihidy ny «robinet»!». Tsy tonga ny famatsiam-bola. Famatsiana vonjy aina no niantsoana ireo fanampiana fototra tonga. Tsy azon’ireo mpifanandrina mivantana teto amin’ny firenena Ravalomanana – Rajoelina nihodivirana ny fepetra napetraky ny fianakaviambe iraisampirenena ny amin’ny tsy azo ilatsahan’izy mirahalahy ireo ho kandidà filoham-pirenena ny taona 2013 na ilay hoe «ni… ni». Voatery nanolotra olona asolo azy ny andaniny sy ny ankilany ary dia ny natolotry ny fitondràna ankehitriny ihany indray moa no mbola nahazo fitondràna hatramin’ny taona 2018 ka nodimbiasan’ny filoham-pirenena ankehitriny nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao. Io iaraha-mahita io ankehitriny fa sarotra ho an’ny mpandrodana, tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakàna 2009 sy ny mbola fandravàna fanjakàna ny taona 2018, tamin’ny alalan’ny depiote miisa 73, hatrany ny mitondra ny tena fanarenana ho an’ity firenena ity noho izay ahi-dratsy naniry, araka ny voalazan’ny tononkira izay indray. Asa, rahoviana no ho foana ny ahi-dratsy eto amin’ny firenena, na ahi-dratsy ara-pitantanana io na ahi-dratsy amin’ny fomba fanaovana politika!?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT