Tsy ny mpanao gazety ihany fa na ny olon-tsotra na ireo masoivoho vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena eto amintsika dia manaraka akaiky ny fivoaran’ny vaovao momba ny raharaha fakana an-keriny tany Toamasina farany teo iny.
Fa inona moa no nampalaza azy ity ? Maromaro ihany mantsy izay resaka fakana an-keriny izay fa nahoana no niavaka ity indray mitoraka ity ? Voalohany, ilay vola notakiana 3 tapitrisa euros, nahoana no notononina tamin’ny euro fa tsy ariary ? Ary nahoana no 3 tapitrisa, nihena niandalana teny ary voalaza fa tsy nisy vola naloa mihitsy satria maty novonoina i Annie ary avotra ara-potoana kosa i Arnaud. Faharoa, misy polisy, mpitsara, mpandraharaha ny fonja, olona efa migadra mandrapahafaty voasaringotra ao anatin’ity afera ity, izany hoe efa tambajotra goavana ilay izy ary mbola mety misy olo-maventy hafa koa aza. Fahatelo, noho izay antony izay angamba no nahatonga ny fiadidiana ny repoblika niditra an-tsehatra mivantana tamin’ny raharaha ka ny mpanolotsain’ny filoha sy ny talen’ny fiarovana azy niaraka tamin’ny rezimanta manokana mpiambna ny filoha mihitsy no naka ireo olona voarohirohy tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy Toamasina ka namindra azy ireo tany Ambatolampy-Antananarivo. Inona koa no tonga dia niarovan’ny mpitsara haingana be ilay mpitsara iray voatonontonona kanefa ny fanadihadiana aza tsy vita tsara akory. Azo ambara fa goavana ity afera iray ity ary andrasan’ny rehetra ny tena fahasahian’ny fitondrana hiady amin’ny asan-jiolahy amin’izay sy ny hoe raha misy manampahefana nanao ratsy ve dia ho saziana. Ho hita eo izay hafitsoky ny fitsarana tompon’ny fanapahana farany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.