Afaka ny handroso isika !

Dingana iray ho an’ny Firenena no vita !


  • Zoma 17 Oktobra 2025

Mbola henjakenjana ny miandry,

tena mila finiavana sy mitaky fahaiza-manao lehibe fa indrindra indrindra fitiavan-tanindrazana avy amin’ny mpitondra vaovao sy ny vahoaka tarihiny. Tsy mora ny fahapotehana sy fahalovana nolovaina tamin’ny mpitondra niorim-paka teo ambonin’ny kolikoly, tsy fahamarinana, tsy maty manota,… Henjana izany manototra lavaky ny fahantrana, fahapotehana ara-toekerana, faharavana ara-toetsaina,… tao anatin’ny 16 taona izany. Tsy maintsy miroso anefa, tsy maintsy manova, tsy maintsy manatsara,… eny tsy maintsy mametraka fototra hivoahana ao anatin’ny faharavana sy fahantrana lalina amin’ny lafiny rehetra. Tsy afaka ny hanilika lava any amin’ny teo aloha, tsy afaka hiteny fa tsy vao izao no nisy olana tahaka izao sy izao, fa tena mila mitady ny fomba sy hevitra rehetra hamoahana ny Firenena. Tsy misy ny fahagagana, fa tena mila fototra iorenany ny firenena, mila mahatsapa ny fisiantsika sy manome lanja ny fahaiza-manao Malagasy, mila mitodika amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana, mila mamokatra sy mampiakatra ny toekerana,… Ananantsika daholo ny hoenti-manana amin’izany : tany, akora, fa indrindra ny olombelona izay tena harena voalohan’ny Firenena. Vitan’ny hafa tokoa ve dia tsy ho vitantsika ? Mandeha ny fandemen-tsaina samihafa toy ny hoe sazy iraisam-pirenena, fahatapahan’ny famatsiam-bola,… Firipolo taona isika niandry niandrandra an’izany fa moa tena nampiasaina tany amin’ny mahasoa ny vahoaka ? Moa nahafantsika nivoaka ny fahantrana ? Resahana foana ny hoe : mahantra ambonin’ny harena isika fa moa nobeazina sy nampianarina antsika ve ny harentsika ? Moa tsy ny vahiny no migalabona amin’izany fa isika dia zary mpitavandra fanampiana ara-bola fitserana isaky ny miodina fa ny vy, volamena, vatosoa, trondro,… ataon’ny vahiny be fandraoka ? Tsy midika fa tsy mila ny vahiny isika, tsy midika fa mila manapaka didim-poitra,… fa kosa mila fo sy mahatsapaka fa afaka mampandroso ny firenentsika isika, afaka ny handroso i Madagasikara,… Mila tena tia tanindrazana anefa fa tsy sanatria mbola ho maro hatrany no mitetika hanao fanjakam-boalavo ka sanatria hanao izay fomba rehetra hikepohana izay tandrify fa tsy hijery ny soa iombonana !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT