Edito

Afaka mitsara tena koa anie e !


  • Zoma 18 Martsa 2022

Tsy ny fampidirana olona madio no mampadio fitondrana, hoy ny mpanao politika iray izay omaly. Tsy ny fampidirana piesy vaovao koa no mahatonga fiara iray ho vaovao,

 hoy ny mpanao politika hafa ary efa vitan’ny mpanao sary itatra an-tsary mihitsy moa izany nialoha iny fanovana governemanta iny. Gaga ny rehetra. Iza no tsy nahita indray fa ny teo ihany no teo? Ikotozafy ihany no Lexis, hoy ny maro. Ny tonta no navadibadika, hoy ny maro. Ny tena nanaitra aza dia nisy tamin’ireo minisitra teo aloha neverin’ny mpanara-baovao ho tena nanao ny asany sy tokony ho tsara naoty tamin’ireo 32 mianadahy farany teo kanefa dia notsofin-drano hitady sehatra hafa indray itondrany avy ny “anjara birikiny ho fampandrosoana ny firenena”. Misy minisitra maro niteraka resabe sy nisehoana miharihary tsy fahafehezan-draharaha na tranga mamoha henatra, izany hoe, “scandale” ihany koa, hoy ny vazaha, kanefa dia notazomina ihany ny sasany. Ny sasany efa noheverina ho “voadaka” teo aloha satria tsy nahatanteraka ny iraka nampanaovina azy tamin’izany, hono, raha ny filazan’ny filoham-pirenena azy mihitsy saingy dia variana ny rehetra ankehitriny fa ireny indray izy ireny fa tafaverina soamantsara amin’ny “fianakaviany” ao an-dapa ao. Nitsara na hoe nanao “evaluation” ireo mpikambana tao amin’ny governemanta tao hono mantsy ny filoham-pirenena sy ny “praiminisitra”. Eo aloha dia efa mipetraka ny fanontaniana. Fa angaha moa tsy tokony notsaraina niaraka tamin’ireo minisitra koa ity praiminisitra efa kely sisa dia hahavita taom-piasanana filoham-pirenena ity. Firenena isan’ny gisitra indrindra maneran-tany isika izao, raha resaka fandrosoana no asian-teny. Nanomboka tamin’ny fitantanan’iza tamin’ireo praiminisitra nandalo no niainana izany filaharana izany? Adala ve ny depiote, ny mpanao politika sy mpamakafaka marobe raha namerimberina sy mbola mamerina ny fanontaniana hatramin’izao hoe inona loatra no antony mbola hitazomana io praiminisitra io? Ao anatin’izany rehetra izany dia heverina fa afaka mitsara tena koa ny filoham-pirenena hoe ary izaho? Izaho ve mba mahazaka mitondra ity Madagasikara ity? Azo antoka ve mbola afaka mahavita mitondra fampandrosoana, na hanao fahagagana aza, eto amin’ity firenena ity aho ao anatin’izao 16 volana farany izao, raha toa ka tahaka ireny niseho tamin’ny 16 martsa ireny ny fetran’ny fahafahako manapa-kevitra? Afaka mitsara tena koa angamba ianao andriamatoa filoha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT