Edito

Afa-panadinana


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Sady mahatsikaiky no miha mampalahelo hatrany ny tontolo politika eto Madagasikara.


 Toy ireny afa-panadinana ireny mihitsy angamba no nandraisan’ny ankamaroan’ireo 36 mianadahy tsy voasivana tamin’izy 46 isa mahery nanatitra sy saika hanatitra antontan-taratasy teny amin’ny HCC nifarana ny talata teo. Toy ireny fihazakazaky ny olom-pirenena maniry ny hifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana ireny ny firohotr’ireo nirodorodo nanitsaka ny varavaran’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana nanomboka ny 5 aogositra. Tao ireo  nahatitra mialoha. Tao ireo teny an-tenantenany. Tao ireo namarana ary nisy tamin’izy ireny aza no voarindrim-bavahady mihitsy. Ny ombin-tsarety indray no tafiditra fa izy ireo taraiky, hoy ny vazivazin’ny mpandalo. Ambangovangon-javatra daholo anefa izany fa ny tena votoatin’ny fanapahan-kevitra kosa dia mistery hatreto. 1 andro taorian’ny fiafaran’ny fanaterana dosie ! Haingana ny fomba fiasan’ny andrim-panjakana dia efa nivoaka sahady ny lisitr’ireo kandida avela handray anjara. Efa voadinika avokoa ve ny loharanom-bolan’ireo kandida ? Ampy nijerena ny antsipiriam-piainan’izy mianakavy ve izay tapa-bolana ? Toa efa tandindon’iny zava-nitranga iny ihany anefa ny sary niseho koa tamin’ny fanadinam-panjakan’ireo kilonga. Aiza ho aiza amin’ilay fehezanteny grika hoe “Duralex, sed lex” na hoe “mafy ny lalàna saingy izay aloha ny lalàna” ny foto-dalàna ampiainana antsika ankehitriny ? Hita ho mbola marefo avokoa. Tsy ny lalàm-pifidianana ihany fa hatramin’ny lalàmpanorenana voafidy tamin’ny alalan’ny karnem-pokontany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT