Hibaribary amin’ny rehetra indray ny tsy fahamatoran’ity fitondran’i Andry Rajoelina ity satria miha mazava izao ny resaka fa tsy ho tontosa ny fitsapan-kevi-baoaka amin’ny 17 novambra. Io efa iaraha-mahita isan’andro io ny fitomboan’ireo mpanao politika sy vondrona politika ary fikambanana manambara fa tsy mety ny fanatanterahana fifidianana maimaika sy petatoko. Araka ny fantatra dia na ireo olona manana andraikitra ambony ao anatin’izao fitondrana izao aza dia efa manomboka tsy resy lahatra ihany koa ny maha mety ny hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra. 20 andro mialoha io daty io mantsy dia tsy misy mihitsy singa tokana monja hahafahana miteny fa mety ilay izy.
Ny mifanohitra amin’izay kosa anefa dia mitranga isan’andro tahaka ireo fanambarana isan-karazany, ny tsy maharototra ny olona amin’ireo mpanao propagandy, ny tsy fisian’ny afisy mandravaka ny tanàna tahaka ny rehefa vanimpotoanan’ny propagandy hatramin’izany, ary ny tena loza aza dia mbola maro ny olom-pirenena tsy mahafantatra akory ny zavatra hitranga amin’ny 17 novambra. Olom-pirenena eto Antananarivo renivohitra io resahana io, ny any ambanivolo any tsy ferana. Dia lasa ny eritreritra hoe ahoana indray ary ny mety ho fialana bala avy amin’i Andry Rajoelina ka hanambarany amin’ny vahoaka Malagasy fa ahemotra ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tena fampidirana ny firenena amin’ny kizo tokoa mantsy ny fihazakazahana hanao izany fifidianana efa tsy mampiraika ny rehetra izany.
Tsaroana eto ny fanakianana mavaivay nahazo ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny 2007 raha nisy ny fanitsiana ny lalàmpanorenana, nambara mantsy tamin’izany fotoana fa latsaky ny 25% ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy. Natanjaka dia natanjaka anefa ny fanentanana sy ny fampielezan-kevitra tamin’izany fotoana. Dia efa niaraha-nahita ihany moa ny zava-nitranga taty aoriana. Ka asa raha mahatadidy ny tantara sy mahay mandray lesona amin’ny holatry ny lasa i Andry Rajoelina ka hahay hampandefitra ny hambom-pony. Sa ve efa roso ny dia ka tsa mipody intsony, ka izay fitrangany eo fitrangany ? Rehefa nalaina ambony nalaina ambany izany rehetra izany dia mazava ny valin’ny asa marika fa ho afa-baraka indray ny FAT satria nivadika tamin’ny teny nomena. Raha mihemotra amin’izao mantsy ny datin’ny fitsapan-kevi-bahoaka dia azo antoka fa tsy maintsy any amin’ny 2011 any indray vao ho tanteraka fa tsy ho vita amin’ity taona ity satria hiroso amin’ny dinika politika indray ireo ankolafy maro samihafa, ary na ny fihaonambem-pirenena aza mety averina mihitsy. Atao ahoana moa izany fa dia afa-baraka indray e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.