Dia hataon’ireo tompon’andraikitry ny fanatanjahantena sy ny mpitondra eto amintsika fialana bala indray ve ny krizy ?
Tena ratsy mantsy ny vokatra azon’ireo atleta malagasy any amin’ny lalaon’ny Nosy izay hifarana ny alahady ho avy izao. Isaky ny efa-taona no hanatanterahana ity fotoan-dehiben’ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe indianina ity ary nandray anjara foana i Madagasikara hatramin’izay. Efa in-droa miantoana isika no nampiantrano ny lalao, ka tamin’ny 2007 ny farany, laharana voalohany i Madagasikara ary nahazo medaly volamena 100 mahery. Ankehitriny kosa anefa dia tsy maha te hilaza ny laharana misy antsika ary tena misimisy ihany ny elanelana raha ny medaly volamena no isaina miohatra amin’ireo Nosy rahavavy hafa. Fa ny tena nanaitra tamin’ity indray mitoraka ity dia ireo resabe nanala baraka ny fanatanjahantena malagasy, tahaka ny faharesen’ny Barea noho ny kitoatoa sy ny resa-bola, araka ny fahitan’ny maro azy.
Teo koa ny olana teo amin’ny taranja baskety satria ny fiandohan’ny volana aogositra vao namboarina ny taratasy maha Malagasy ny mpilalao iray avy any Amerika ka niteraka savorovoro mialoha ny lalao, ary tapitra hatreo ny dian’ny ekipam-pirenena. Teo amin’ny lomano moa dia nataon’ny olona fanalan’andro ny Malagasy izay tena very lavitra tokoa. Soa ihany fa mba nahavita zavatra tsara ny mpiangaly volley-Ball sy ny mpibata fonjamby ary ny mpanao ady totohondry sy ny tao amin’ny taranja fototra atletisma. Na izany aza dia mazava ny resaka fa lalim-paka ihany koa ny krizy mahazo ny fanatanjahantena malagasy ary vao miha aza nihombo izany tato anatin’izao tetezamita izao noho ny antony maro, toy ny fanovana mpitantana sy fanoloana tompon’andraikitra, ny tsy fisian’ny politika matotra avy amin’ny ministera, ny mety ho fifangaroana na fifanitsahana andraikitra, ary ny resa-bola. Anjakan’ny kolikoly sy ny fampitambazana vola ny fanatanjahantena eto amintsika, hany ka vola be aloha vao manaiky ny hialao tsara ny mpilalao sasany, fidedahana no betsaka fa toa tsy nahavita azy ny mpanazatra napetraky ny FAT ary nambara fa hoe hanavotra ny baolina kitra.
Tonga any amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ny herin’ny vola sy ny resaka akamakama, tsy misy intsony ny fanajana ireo soatoavina sy fitsipika, ary toa lasa kolontsaina sy fomba amam-panaon’ireo mpitantana sy mpanao fanatanjahantena sasany ny fitiavantena sy fanangonan-karena. Koa dia tsy mahagaga raha afa-baraka sy ataon’ireo Nosy rahavavy tondro molotra isika. I Madagasikara no Nosy goavana indrindra aty amin’ny ranomasimbe indianina kanefa izy no tratra aoriana indrindra na resaka politika io, na toekarena na fanatanjahantena. Natao kabary be fotsiny ny hoe hanova, hanatsara, asa manarapenitra fa raha ny tena marina dia hetsika mitondra any amin’ny fahafaham-baraka eo amin’ny sehatra rehetra no nisy teto tato anatin’ny telo taona izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.