Tsy tafaverina teto an-tanindrazana araka izay efa nambara sy nantenain’ny vahoaka Malagasy an-tapitrisany maro ny Filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy 19 febroary teo. Tsy nahakivy ireo olona ana hetsiny izay tonga nitsena azy anefa izany satria fantatr’izy ireo mazava ny antony tsy nahatonga azy.
Tonga soa aman-tsara ny fiaramanidina SA Airlink 8252 izay tokony ho nitondra azy tamin’ny telo ora latsaka fahatelony io andro io. Nihazakazaka ireo mpitandro ny filaminana marobe nisava izany ary nanamarina raha tao tokoa ny Filoha. Ny mpisolovava azy, ny Me Hanitra Razafimanantsoa anefa no tao. Nanazava io farany fa noho ny «Notice To Air Men (NOTAM)» na koa hafatra ho an’ny mpanamory fa tsy mahazo miditra eto Madagasikara ny tenany no antony nandrarana azy tsy hiditra tao anaty fiaramanidina. Raha ny filazan’ny mpandeha anefa dia tena tonga teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Johannesburg tokoa ny tenany sy ny fianakaviany niaraka tamin’ny tapakilany. Efa nanao ny firaketana na «enregistrement» ny entana aza no nivoaka ilay antontan-taratasy izay mandrara azy tsy hiditra anaty fiaramanidina.
Saika hanofa fiaraminidina manokana indray izy manomboka teo saingy tsy afaka ihany koa ny nanao an’izany. Ny tena anton’ilay fandrarana tamin’ny NOTAM dia ny filazana fa olona tsy ilaina (persona non grata) ny Filoha. Tokony ho henatra ho an’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ny filazana izany satria ny teratany vahiny no tokony hatao “persona non grata” ho an’ny firenena iray fa tsy mpiray tanindrazana akory.
Manarak’izany dia mifanohitra ihany koa ny filazan’ny ministra tompon’andraikitra, tamin’ny vao nilaza ny hahatongavany ny filoha, fa afaka miditra malalaka eto an-tanindrazana Atoa Ravalomanana saingy misy fanontaniana maromaro tsy maintsy hovaliany fotsiny ihany. Kinanjo rehefa tena ho avy ny tenany dia namoronana antontan-taratasy maimaika mba handrarana ny fiaviany indray. Iza ihany ary no mba mpitondra fanjakana afaka mitazona ny teny nomeny ? Ny tokony ho fantatr’izy ireo dia manan-danja amin’ny lalàna manan-kery ny teny avoakan’ny olona ambony amin’ny haino aman-jery sy amin’ny vahoaka. Famitahana ny tsy fanajana ny teny navoaka ny vava… Afa-baraka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.