Edito

Ady vaovao


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Fomba amam-panao moa ny mifampirary soa rehefa tonon-taona toy izao ary arahabaina isika Malagasy rehetra tsy maty fo aman’aina fa mbola voatahy ka nahatratra indray ity taona vaovao ity.

 

Samy niezaka nanao izay ho afany ny tsirairay mba namaranana tamim-pifaliana iny taona izay nalaza ho nampitondra faisana ny valalabemandry iny. Inona tokoa moa no tena nampisongadina izay 365 andro izay raha tsy ny fahatapahan-jiro lavareny vao mainka nahery vaika fa indrindra ny fahoriana mitady rano? Zary efa mitovy amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana izay nampikaikaika tamin’iny taon-dasa iny koa ankehitriny ny fanafody mahatsabo azy. Izany hoe miandry fahagagana saingy ireny aza moa ny lafiny famatsiana solika niaraha-nahita ny nafitsoky ny fitondrana tamin’ny fitantanana azy tamin’iny 2019 iny na dia niaraha-naheno matetika aza fa nisy fienany ny vidin-tsolika teo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny teto amintsika tsy vitan’ny hoe nisy fisondrotany matetika fa nisy fotoana tsy nahitana azy mihitsy teny amina tobin-tsolika maromaro. Aiza moa no tsy hilaza ny mpanao politika sasany fa tsy misy antenaina intsony amin’izao fitondrana izao? Na izany na tsy izany dia tsy maintsy mivonona hiatrika ady vaovao indray izany aloha Ramalagasy. Mitohy ny fifampiarahabana sy fifampirariantsoa ary ny tena hirariana marimarina dia ny mba hitsiky amintsika tokoa anie ny fahagagana hitondra ho any amin’ny fanarenana ny firenena sy izao fiainam-bahoaka maha ory azy fatratra izao. Mety tsy ho tsinin’ireo mpitondra samirery ihany tokoa tsinona ny olana mianjady amin’ny firenentsika fa mila miaiky koa ny rehetra fa mety nisy andraikitra tandrify azy avy tsy noraisiny tao ary misy ny fomba fiteny iray izay hoe tsy misy vahoaka tsy mahazo mpitondra tsy sahaza izany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT