Edito

Ady tsy mety tafainga


  • Alatsinainy 19 Jolay 2021

Tsy ny resaka nosy Malagasy fotsiny kay moa no ady tsy mety tafainga eto amin’ity firenena ity raha tena hiresaka izany atao hoe ambo-po sy fiandrianam-pirenena izany marina.

 Ekena fa tafaverina sy notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika, mba tsy hilazana hoe, fomba miwerawera, ilay tataro-piandrianana tamin’ny taon-dasa. Tsy hiverenana intsony angamba ny fanazavana ny atao hoe tataro izay mbola hambolen’ny mpahaitantara sasany adihevitra koa moa hoe tsy tokony atao izany “tataro” izany fa tokony atao hoe “tsingy”. Ny zava-misy, ary miresaka tantara isika, ny tantara, hono, tsy fanadino dia ny hoe mbola mampametra-panontaniana hatramin’izao ny hoe aiza marina ny tena satro-boninahi-dRanavalona? Niverina nisy namoha koa io ny resaka volamena milanja 73,5 kilao mihitsoka atsy Afrika atsimo. Aiza daholo ihany ny tena ady mafonja hamerenana izany rehetra izany? Aiza koa ny fanatanterahana ny fampanantenana hiala amin’ireo mpamatsy vola mahazatra? Eny, ny fialana tanteraka amin’ireo mpamatsy vola mihitsy? 2 taona sy tapany mahery taorian’ny lokaloka rehetra fa mbola mijanona eny Ambohikobaka, hoy ny tononkira iray izay, ny fampanantenana rehetra. Tena izao ve ilay atao hoe Madagasikara mandroso ao anatin’ny fotoana fohy sy tsy vitan’ny tao anaty 60 taona? Sao sanatria ny mifanohitra amin’izany no hitranga eto mandra-pahatapitry ny fotoana ka ho zary fitotonganana ao anatin’ny fotoana fohy sy tsy mbola nisy nahavita tao anatin’ny 60 taona no hitranga ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT