Edito

Ady seza e !


  • Alakamisy 02 Septambra 2010


Dia sanatria ve tsy hahomby indray ny fifampiresahan’ny samy Malagasy, kanefa dia efa maro no dedaka fa vitantsika io. Ny filoha lefitry ny FAT, Roland Ratsiraka, aza dia efa sahy niteny mihitsy fa mivory ao anatin’ny 24 ora ny mpanao politika sy ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena dia miravona ny disadisa rehetra ary hita ny marimaritra iraisana. Toa efa ho herinandro anefa izay no nifanasa vangy teny Vontovorona ny mpanao politika saingy tsy mbola nahita mangirana ny amin’izay vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Mialoha io anefa dia efa nifanesisesy nihaona tamin’ny CNOSC izay mpanelanelana ireo ankolafy sy antoko politika ary ny fikambanana isan-karazany. Ny mpitondra fivavahana avy ao amin’ny FFKM aza efa mba nandrenesam-peo kely ihany. Nitazana fotsiny mihitsy aloha ireo mpanelanelana avy any ivelany. Tsy mbola hita anefa ilay vahaolana, nandrandraina efa ho roa taona latsaka izao.

Fa nahoana ary ? Noho ny fitiavan-tena sy ady seza ve, sa noho ny fifankahalana sy ny holatry ny lasa tsy mety mikatona ? Maro no mieritreritra ankehitriny fa sao dia ny fifamelana ao anatin’ny fihaonambem-pirenena tena izy, ary no atao mialoha, izay vao miroso amin’ny fifampiresahana ireo mpanao politika. Atao ahoana tokoa moa ny hiresaka milamina, raha toa ka mbola misy ny alahelo any am-pon’ny tsirairay avy any ? Samy miandry ny sitrapon’ny mpanao politika ny rehetra, satria, hono, tsy maintsy vahaolana politika no hamahana ny krizy, ka ny mpanao politika ihany no afaka mikaroka izany. Ny manahirana ny saina indray anefa, dia toa re isan’andro fa tsy mitovy hevitra ny samy ao anatina antoko na fikambanana politika iray, ka samy miady ho lohany, ary ifandrotehana mihitsy ny hoe mpitondra tenin’izatsy na izaroa. Ady seza e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT