Edito

Ady saritaka


  • Talata 22 Febroary 2011

Tsy takona afenina ny ady saritaka amin’ny samy mpitondra ny fahefana avon’ny tetezamita. Andaniny ny antsojay ataon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana amin’ny Koaminina Antananarivo Renivohitra, ankilany ny ministeran’ny mponina sy ny sosialim-bahoaka sy ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana amin’ny fandaminana ny ady tany.

Momba itsy voalohany, dia miharihary toy ny vay an-kandrina izany ary tsy vitan’ny mpitondra ankehitriny intsony ny manafina azy raha ny zava-nitranga nandritra ny fandalovan’ny ministra frantsay momba ny fiaraha-miasa, Alain de Raincourt farany teo. Notsinontsinoavina mba tsy hilazana fa voailika ny Kaominina, nefa mampiantrano. Asan’ny Kaominina ny fanadiovana ny tanàna, saingy salovanin’ny ministera izany, raha tarafina tamin’ny zava-nitranga teny Andralanitra ny sabotsy teo. Izay fisalovanan’ny fanjakana ny asa tandrifin’andraikitry ny Ben’ny tanàna izay anefa no efa fototr’olana teto tamin’ny 2008 ary azo lazaina ho niaingan’izao krizy izao. Mampametra-panontaniana ihany koa ny amin’ny hoe manana sata manokana araka ny resahina tokoa ve ity renivohitr’i Madagasikara ity sa an-tsoratra fotsiny ihany izany ? Misy indray koa famoriana ireo olona manana olana ara-tany, kasain’ny ministry ny mponina hatao ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ny herinandro lasa iny no efa tokony ho notanterahina io, izay hanana endrika ampamoaka handaminana ny resaka fananan-tany, saingy fantatra fa hahemotra amin’ity herinandro ity indray. Mazava fa fifampitsabahana andraikitra no endrik’izay. Re fa fihantsiana ny ao amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana izao raharaha izao. Ady saritaka e !

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT