Ady mafy tsy maintsy atao!

Ady mafy tsy maintsy


  • Talata 10 Febroary 2026

atao izany izao ny mitady ny

lalana rehetra ahafahan’ny firenena ho tody any amin’ny antsoina hoe fanovàna marina. Inoana fa samy mikatsaka izany daholo izay rehetra nahatsapa fa tsy nitondra tany amin’ny fahasoavana ho an’ity firenena ity ny fomba fitantanana izany firenena izany nisy hatreto aloha. Izany hoe tsy ny fitantanana tamin’ny fitondràna Rajoelina ihany fa ny hatramin’ny fotoana nanomezana an’i Madagasikara izany antsoina hoe fahaleovantena izany mihitsy. Nahantra foana ilay firenena tao anatin’izay fotoana lavabe izay. Tsy misy afaka mandà izany na iza na iza malagasy. Na ireo mbola miaina eto an-toerana io na ireo any am-pitan-dranomasina. Azo antoka fa tsy ho mora mihitsy ny hanarina izany tsy fahombiazana tanatin’ny 68 taona teo izany. Raha sanatria mbola tsy voavaha, na dia ny laharam-pahamehana ihany aza, anatin’ny 2 taona hoavy izany dia ho feno 70 taona. Afaka iny ny fitondràna nifototra tamina fanonganam-panjakàna namotika ny toekarena malagasy hatramin’ny taona 2009. Miditra amina dingana mampita na hoe «phase transitoire» isika io na tiana na tsia, na mampiady hevitra be aza ny hoe tetezamita sa fisoloana toerana izy ity. Fa naninona no natao hoe fanavaozana fa tsy fanovàna, araka ny efa nohirahiraina nandritry ny tolona no anarany? Maninona no hoe mpanolontsaina ambony no iantsoana ireo efadahy mpiara-mitantana izao rafitra izao? Ny azo inoana kosa aloha angamba dia ny hoe tsy miaramila tokana no nanapa-kevitra ka nahafahan’ny CAPSAT nandray fepetra namarana ny tolona tamin’ireny fotoana ireny fa tsy maintsy nisy filànkevitra ara-miaramila tao. Nofidiana ho filohan’izay filànkevitra izay koa ve izany ny filohan’ny fanavaozana ary izao fitondràna izao koa dia azo antsoina hoe fitondràn’ny filànkevitra ara-miaramila? Anaty adihevitra daholo izany amin’izao fotoana ary inoana sy antenaina hatrany fa hanazava sahady ny tian-kihaviana sy ny fanapahan-kevitra hiraisan’ny rehetra rehefa tonga ny fotoana ilàna hamoahana ny fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena. Ady mafy io fa tsy maintsy atao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT