Aza heverina ho toy ny anaty fety na kermesy sy andro tsy iasana fa handraisan-karama isika, hoy ny minisitry ny atitany izay omaly.
Kihon-dalana goavana tokoa ankehitriny no diavin’ny firenena manoloana ity areti-mandripaka mianaka eto amin’izao tontolo izao. Azo lazaina ho mbola vitsy dia vitsy lavitra amin’ireo mararin’izany any amin’ireo firenen-kafa no tratrin’ity areti-mandoza ity eto Madagasikara saingy ny mahery tsy maody tsy ela velona, hoy ny Ntaolo. Ny mahay milomano ihany no maty an-drano. Anaty ady mafy ankehitriny isika, indrindra moa, taorian’ny nahenoana fa misy olompirenena hafa ankoatr’ireo tao anaty sidim-piaramanidina tonga avy any ivelany koa iantraikan’ity aretina ity eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ady mafy hatrehina ho an’ireo sehatra natao hanentanana ny olompirenena hitandrina manoloana ny zava-mitranga koa anefa no iainantsika ankehitriny satria dia zary mirefarefa loatra ny toetsaintsika, indrindra moa, rehefa anatina fotoana tokony handraisana fanapahan-kevitra sy fandaminana haingana. Aretina efa manafika ny aina izao dia mbola ivazivaziana sy handrabirabiana ireo izay manaraka toromarika ihany. Mandeha daholo ity karazan-tsikera ity toy ny hoe aza manaiky ho rebireben’ny firenena mikambana, aretin’ny mpanan-kareny io, aretin’ny fotsy hoditra io na koa hoe olo-malaza. Tsy tonga ao an-tsaintsika angamba fa ireny olo-malaza ireny, izay voasokajy ho isan’ireo mpanakarem-be eran-tany, dia matetika mifampikasoka akaiky loatra amin’ny mpankafy azy, ankoatry ny hoe be dia sy sidina aleha moa izany. Firenena mahantra isika ary efa rano raraka aloha ireo mpitondra rehetra nandalo, na ny ankehitriny io na ny fahiny, izay tsy nametraka ny maha zava-dehibe izany atao hoe fanabeazana maha olompirenena izany saingy heverina fa fotoana kosa izao, na dia anaty zava-doza aza, mba handavan’ny olompirenena tsirairay ny tenany hanaraka tsy fidiny ny toromarika rehetra omen’ireo tomponandraikitra azy. Mila mizatra manaraka fitsipika anaty fotoana fohy isika satria mila mahatadidy fa raha tsy izany no atao dia mety hidiran-doza eto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.