Edito

Ady goavana


  • Zoma 17 Jolay 2015

Efa hita taratra tamin’ny zava-nitranga omaly ny ety ho fizotry ny fampielezan-kevira, efa mazava hoe iza no antoko lehibe, iza no antoko kely.Tsy dia misy fahagagana azo antenaina fa tahaka ny efa fantatra sahady ny voka-pifidianana, arakaraky ny fihetsik’ireo kandida isan’isany avy.

 


Efa tsinjo ihany koa , noho izany ireo antoko na vondrona politika hifanenjana eto ato ho ato ; aorian’ny fahavitan’ny fifidianana kaominaly mantsy dia tsy maintsy hoa vy ny fifidianam-paritra sy ny fifidianana hananganana ny antenimieran-doholona ka izay mahazo ny maro an’isa amin’ny fifidianana ami’ny 31 jolay io no hatanjaka mandritra ny fifidianana loholona ary azo antoka fa hahazo ny maro an’isa .Goavana eo amin’ny sehatra politika noho izany ny fifidianana kaominaly ary sy mahagaga raha mihetsiketsika ireo etamazaoro politika ; fitsapana goavana ho an’ny antoko’ny fitondrana io satria raa sanatria ka vitsy na tsy matanjaka tsara ny maro an’isa azony dia mety ho tanteraka ihany ilay hoe :tsy miandry ny 2018 satria tena marefo izany ny fototr’ilay fitondram-panjakana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT