Edito

Ady gasy


  • Alakamisy 16 Jona 2016

Toa sampontsampona izany ny zava-mitranga eto amintsika. Lazaina fa tratra ambodiomby ny olona iray kanefa tsy mety voasambotra hatramin’izao. Io no nipoiran’ilay vazivazy hoe : ary asehoy koa ary ilay omby e !

 Izao indray ka alefa eny amin’ny antenimierandoholona aloha ny volavolan-dalàna momba ny fifandraisana, ny ao amin’ny antenimieram-pirenena tsy mbola mahafantatra na inona na inona momba azy io. Dia tena mifamadika mihitsy e ! Ny lôjika indrindra dia miainga eny amin’ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza izy io vao miakatra eny amin’ny loholona eny Anosikely ny fandinihana ny volavolan-dalàna iray. Izay no maha Chambre basse sy Chambre haute ireo parlemanta roa ireo, araka ny fiantson’ny vahiny azy. Ny solombavambahoaka no tena fahefana mpanao lalàna eto Madagasikara fa ny loholona kosa dia fakan-kevitra sy mpanolotsaina ny governemanta misy ny filoham-pirenena momba ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena. Ka tena mahagaga ity sangodim-panina natao momba ny volavolan-dalàna momba ny fifandraisana ity. Sa ve misy zavatra hokitihana indray ka aleo omena ireo loholona aloha fa ao no tena maro an’isa azo antoka ny HVM ? Na koa lalaovina ny fandinihana azy avy eo ampidirina maimaika eny Tsimbazaza dia arahana tsangan-tanana maimaika dia lany tsy misy adihevitra, dia izay no vita. Sa tena izay mihitsy ilay ady gasy e ?


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT